“Pique-nique géant Fresh”. Io no anarana nampisaloran’ny Star ilay hetsika izay karakarain’izy ireo ny alatsinain’ny Pantekoty, 29 mey izao, eny Analamanga Park. “Nanasa ny tarika ‘Zay sy ny AmbondronA, izay tarika samy manana ny lazany izahay, hanafana ny fotoana amin’ io”, hoy ny nambaran-dRamanankoraisina Setra, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika […]
Auteur/autrice : Adnews
Madagasikara-Nouvelle Calédonie : mitohy ny fifanakalozana ara-kolontsaina
Mitohy ny tetikasa fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Nouvelle Calédonie. Eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, mandritra ny 15 andro no hanatanterahana izany. Ny IKM Antsahavola sy ny Centre culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) no misolo tena ny Nosy roa tonta amin’ny fanaovana izany fifanakalozana izany. Efa […]
Hoenti-manana ny tsangambato faha-60 taona : hanatanteraka « Sahobin’ny Mpikabary » ny Fi.Mpi.Ma
Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) mandia ny faha-60 taona niorenana. Maro ireo hetsika hotanterahina ao anatin’ny fankalazana io vanim-potoana io. Goavana rahateo ny tsangambato haorina… 60 taona aty aorian’ny niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manana vina hanangana foiben-toerana lehibe ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny […]
Lalàna momba ny fampiasam-bola : hanampy amin’ny fampiroboroboana ny indostria
Tanterahina etsy amin’ny Novotel Alarobia, nanomboka omaly hatramin’ny zoma izao, ny atrikasa momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria eto Madagasikara (Journées de programmation industrielle). Dinihina mandritra izany ny tondrozotra mazava hampiroboroboana ny indostria eto amintsika. Ao koa ny dinika niarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny “dialogue […]
Tetikasa Art et biodiversité : misokatra ny fifaninanana
Nisokatra nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 jolay izao, ny fifaninanana tetikasa “Art et biodiversité”, andiany faharoa. Atao izao hanamarihana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, ny 22 mey lasa teo. Natao ho an’ireo mpanakanto sy fikambanana misehatra amin’ny tontolo iainana ity fifaninanana karakarain’ny Fondation des aires […]




