Auteur/autrice : Adnews

Fantina sy fintina

Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ ny Foloalindahy malagasy ny «Hazakazaka ho an’ny Fahaleovantena » natao omaly, niarahana tamin’ireo Andrimpanjakana sy minisitera. Niainga teny amin’ny Coliseum izany ary nifarana teny amin’ny Kianjan’Alarobia. Miisa 5 600 000 ireo efa voasoratra anarana amin’ny « Izaho tokana ». Voakasika avokoa […]

Ny teo ihany no miverina

Asa aloha raha fifandrifian-javatra na izay mihitsy ny kajikajy maloto any ambadika rehetra any? Tampoka teo, nitokona tsy nisy mpitarika ry zalahy mpamily sy resevera. Nilaza manko ny kaoperativa fa tsy avy amin’izy ireo izany. Niridana tsy nisy zotra mazava, nilanja sorabaventy, nanapaka lalana manerana ny tanàna. Zara raha nisy […]

Diplaomasia: manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Repoblikan’i Iran

Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra marolafy. Izay no nifanakalozana sy nisongadina tamin’ny nanoloran’ny masoivoho vaovaon’ny Repoblika Islamika Iraniana eto Madagasikara, Sem Sabzali Alizera, ny taratasy fanendrena azy ho an’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Tamin’ny fihaonana, naneho ny fanirian’i Iran […]

Fiaraha-miasa sy fiandrianam-pirenena: mitaky ny tsy ifampitsabahana i Rosia sy i Madagasikara

Mitsidika ny any Rosia, amin’izao fotoana izao, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice. Nisy ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny rosianina, Serguei Lavrov. Nampitovy tadin-dokanga. Voaresaka tamin’izany ny fampandrosoana, na eo amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta na ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny voatsiahy ny fanamafisana […]

Tezitra noho ny kolikoly: nitokona ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be

Nidina an-dalambe, omaly, ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be, eto an-dRenivohitra. Nilaza ho leo kolikoly ataon’ny polisy kaominaly izy ireo. Nodian-dry zalahy fanina kosa ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nidina an-dalambe sy ni­lanja sorabaventy mitaky ny handravana ny Direc­tion des transports et de la mo­bilité urbaine (DTMU) ny mpamily sy resevera […]