Mitsidika ny any Rosia, amin’izao fotoana izao, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice. Nisy ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny rosianina, Serguei Lavrov.
Nampitovy tadin-dokanga. Voaresaka tamin’izany ny fampandrosoana, na eo amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta na ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny voatsiahy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fanofanana ary ny fahasalamana. Nasongadina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fitovian-kevitra eo amin’ny roa tonta. « Eo ny fanohanana ny rafitra iraisam-pirenena mifototra amin’ny fampiharana tsy mitanila ny lalàna iraisam-pirenena sy ny fanajana ny fotokevitry ny tsy fitsabahana amin’ny raharaham-pirenena anatiny sy ny fiandrianam-pirenena », hoy ny minisitra, N’Diaye Alice.
Nahafahana ihany koa naneho ny firoboroboan’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izao fihaonana izao. Mifanaraka tanteraka amin’ny diplaomasia marolafy arahina sy tohanan’i Madagasikara, araka ny nambarany hatrany. « Natao hanitarana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa misokatra amin’ny firenena rehetra ho fitsinjovana ny tombontsoa iombonana ny fomba fiasa tahaka izao », hoy izy.
Hanohy ny fifampidinihana
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa, nifanakalozan-kevitra ny momba ny toeran’ny firenena roa tonta manoloana ireo fanamby iraisam-pirenena. Nitoviana hevitra ny firaiketana amin’ny rafitra marolafy sy ny anjara andraikitra fototra ananan’ny Firenena mikambana (ONU) amin’ny fitantanana maneran-tany.
Namehezana ny fihaonana ny nifanarahan’ireto minisitra roa ireto ny hanohizana sy hanamafisana ny fifampidinihana, na eo amin’ny sehatra iarahan’i Madagasikara sy i Rosia izany, na eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.
Synèse R.




