Auteur/autrice : Adnews

Orange Pro League : hanokatra ny lalao ny CFFA sy ny Ajesaia

Hifandona amin’ny lalao ampahavalon-dalana “Playoff 2023”, amin’ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League, ny CFFA sy ny Ajesaia. Hatao amin’ny 2 jolay ny lalao famaranana. Ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ajesaia Bongo­lava no hihaona voalohany amin’ny lalao ampahavalon-dalana, mandroso, fifaninanam-pirenena «Playoff 2023 OPL». Hotanterahina ny 13 mey ho avy izao, eny […]

Asa fanatsikafonana : mpanao gazety 7 nahazo mari-pankasitrahana

30 taona omaly, ny nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Anisan’ny nankalaza izany ny Transparency Inter­na­tional Initiative Madagascar (TI-MG) sy ny tambajotra Malina. Nikarakara fifaninanana «Grand prix Ma­li­na 2023», andiany 5 izy ireo. Mpanao gazety 7 mianadahy, mendrika tamin’ny asa fanatsikafonana, ireo nandresy tamin’izany. Natolotra, omaly, teny amin’ny […]

Sarin’ady “Ivondro 2023”: nifampizara fahaiza-manao ny Tafika Malagasy sy Frantsay

Vita soa aman-tsara ny sarin’ady “Ivondro 2023”, notanterahina tao Toamasina sy Nosy Boraha (Sainte-Marie). Nifarana , omaly, ny fifampizarana traikefa teo amin’ny miaramila malagasy sy frantsay. Nifarana , omaly , ny fanazaran-tena iraisam-pirenena “Ivondro 2023” notantera­hin’ny Tafika Malagasy niaraka tamin’ny Tafika Fran­tsay, tao Toamasina sy Nosy Boraha. Arivo mahery ireo […]

Indray mijery

Mandritra ny fotoan’ny ririnina, toy ny fanao isan-taona, manamaivana ny vesatry ny fianakaviana amin’ny fanatanterahana ny forazaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanterahina manerana ny Nosy, anatin’ny varavarana misokatra, amin’izao fotona izao, eny anivon’ny hopitalin’ny distrika sy ny faritra manerana ny Nosy ny forazaza. Maimaimpoana ny fanaovana azy hanampiana ny mpiara-belona. Vahoaka […]

Boriborintany VI: hanakaiky vahoaka ny tolotra ara-pahasalamana

Mitohy ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, tanterahin’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misitraka izany ny ao amin’ny boriborintany fahenina, nanomboka ny talata ka hatramin’ny zoma. Mikendry ny hisitrahan’ ny vahoaka eny ifotony ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ny hetsika. Hisy ny fizaham-pahasalamana amin’ny an­ka­pobeny ataon’ny dokotera. Misy ny fitiliana kara­zan’aretina maro […]