Anatin’ny fifampitsapan-kery tanteraka ny mpanao politika malagasy, ankehitriny. Iaraha-mahita sy miaina ny kivorivory etsy sy eroa, entina mampiseho fa manana olona mpanohana. Zary hifaninanana ny serasera sy ny fandokafan-tena fa mamy hoditra amin’ny vahoaka malagasy. Toe-javatra efa mahazatra raha amin’ny vanim-potoana tahaka izao, indrindra amin’ny faramparan’ny fotoam-pitondrana ho an’ny ankilany, […]
Auteur/autrice : Adnews
Razanamahasoa Christina: malahelo amin’ny fifampihantsiana politika
Tena efa tafahoatra ka tsy afaka ny hangina intsony! Tsy mankasitraka ny lahateny fihantsiana nahazo laka tato ho ato ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Chirstine. Notsiahiviny ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. “Fotoana izao hanomezana vahana ny fitoniana… “, hoy izy tany Ambositra, ny sabotsy teo. Nanteriny fa tokony lahateny mivoy […]
Ampangabe : vehivavy nitondra vola sandoka 2 800 000 Ar
Noraisim-potsiny! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe, tao amin’ny fokontany Soamanjaka, kaominina Ampangabe, omaly, ny vehivavy nitondra vola sandoka 140 isa amin’ny ravim-bola 20 000 Ar, izay mitentina 2 800 000 Ar. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, saika nividianany entana tamin’ireo tantsaha mpamboly eny amin’ iny kaominina iny ireto vola […]
Fiara vaky kodiarana : mpianatra nanao « voyage d’étude » niharan-doza
Niharan-doza ny taksiborosy nitondra mpianatra avy amina oniversite tsy miankina iray eto an-dRenivohitra, teo amin’ny tetezana hidirana an’ Andranofasika, anatin’ny RN4, PK 451 +600, ny alin’ ny sabotsy 15 avrily teo. Vaky ny kodiaran’ny fiara rehefa nihodina ny fiolanana mihazo an’Antananarivo izy ireo. « Nitsefotra ny kodiarana havanana », hoy ny […]
Analakely : ankizy 8 sarona nangarom-paosy
Nanararaotra ny fitangoronan’ny olona, noraisim-potsiny teo Analakely, ny tontakely valo lahy, ny harivan’ny alahady teo. Nandritra ny fampisehoana goavana teo amin’ny Araben’ ny Fahaleovantena, tomefy olona ny lalana. Niandry kendry tohina ireo mpijery fotsiny izy valo mirahalahy ireto ary nanao ny asa ratsiny. Tetsy ankilany, ankoatra ny fifehezana ireo olona […]




