Mahery vaika ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tara ny famatsian-tsoliky ny orinasa jirama. Miezaka mitady vahaolana haingana ny orinasa. Misy olana ny famatsian-tsoliky ny orinasa jirama amin’ny distrika maromaro manerana ny Nosy. Vokany, voatery mampihatra ny fanapahan-jiro mifandimby na ny “délestage tournante” ny orinasa anatin’ny andro vitsy. […]
Auteur/autrice : Adnews
Kaominina Anosiala sy Ambohidratrimo : nianatra ny paikady fitadiavan’asa ny tanora
Ambohipihaonan’ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa ny teny Ambohidratrimo, ny sabotsy teo. Nampiofana ny tanora indray ny LCS, izay tarihin’i Fenozanany Stephanie sy ireo ekipa miaraka aminy. Nianatra manokana ny paikady fiatrehana ny fitadiavan’asa izy ireo tamin’izany. Nampiakatra ny fahaizana sy ny faharisihana hisehatra amin’ny asa ny fifehezana ireo […]
OMS Genève sy Afrika : nohamafisina ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana
Nitsidika an’i Madagasikara ny OMS Genève sy Afrika, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny anton-dian’izy ireo. Teboka maromaro no navoitra hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana. Nojerena manokana ny fanatsarana ny paikady hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara. Mbola ambony […]
Faritra Matsiatra Ambony : marolafy ny fanatsarana ny fanabeazana natao
Fararanon-danonana ho an’ny fanabeazam-pirenena ny tao Matsiatra Ambony. Fotodrafitrasa maro no notokanana. Samy nahazo ny anjarany na ny mpampianatra na ny mpianatra. Nitety Cisco maromaro ny hetsika amin’ny seha-panabeazana tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ny faran’ny herinandro teo, izay natrehin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Tao amin’ny Cisco Ambalavao, […]
Muay-Thai – «Mada 2023» : nahazo medaly volamena 10 Atsinanana
Nandrombaka medaly volamena 10 ny atletan’ny faritra Atsinanana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay-Thai, notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 8 sy 9 avrily lasa teo. Raha tsiahivina, mpikatroka 11 no nisolo tena ny faritra ka nahazo volamena avokoa ny 10 raha volafotsy ny iray. Tamin’ny […]




