Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby, taona 2023. Lavon’ ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 23 no ho 16, ny XV FA Ampasika. Raha hiverenana ny lalao, hita fa manana herijika ny XV FA Ampasika, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny nanokafan’izy […]
Auteur/autrice : Adnews
Volley-Mada 2023 : nandravarava ny GNVB
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Jeunes” sy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, “2éme division” lahy sy vavy. Nandravarava ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, izay nibata fandresena miisa 3 tamin’ireo sokajy 6 nifaninana. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona vehivavy ny GNVB […]
Kitra – «Orange Pro League» : nisaraka ady sahala ny Uscafoot sy ny AS Fanalamanga
Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Uscafoot sy ny AS Fanalamanga, teo amin’ny andro faha-14, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Orange Pro League” (OPL), ho an’ny kaonferansy avaratra. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny sabotsy lasa teo. Niezaka nitady fandresena teo an-jaridainany […]
Judo-Mada 2023: mbola tsy lefy laza ny klioban’ny Saint Michel sy ny ESCA
Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny heriandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Minimes, Juniors, Cadets, Seniors ary Vétérans, taranja Judo. Navitrika ny mpikatroka, nandritra ny 3 andron’ny fifaninanana ary nampiseho ady matihanina. 400 mahery no nifaninana, avy amin’ny ligim-paritra 8. Raha ny vokatra, […]
“Mihamy Mada Fashion”-Toamasina : nasongadina ireo mpamoron-damaody
Tontosa ny fanamby! Nikatona ny alin’ny sabotsy teo, tao Toamasina ny andiany fahefatra amin’ny “Mihamy Mada Fashion”. Hateloana nanomezan-danja ny sehatry ny haihaingo sy lamaody ny hetsika. Raha toa ka teto Antananarivo hatrany ireo andiany telo voalohany, nosafidiana manokana i Toamasina mba hanasongadinana ireo mpamoron-damaody sy ny akora avy any […]




