Nizarana sakafo mafana ireo ankizy 318 tsy manan-kialofana ao amin’ny ivontoerana Madcap Isotry sy Seba Antohomadinika, omaly. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominin Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Mponina ary ny Léo Club Antananarivo Ravinala, nahafahana nanao ny hetsika. Tanjona ny hanampiana sy hikarakarana ireo ankizy tsy manan-kialofana ireo, raha […]
Auteur/autrice : Adnews
Mila voatsiary!
Resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera ny mikasika ny famoahana pasipaoro eny amin’ny polisim-pirenena Anosy. Nitombo ny fepetra sy ny antontan-taratasy ilaina mba ahafahana misitraka izany. Nitondra fanambarana miezinezina mihitsy ny tomponandraikitra voalohany, lehiben’ny sampandraharahan’ny fanaovana pasipaoro. Fanazavana izay niteraka fanakianana mavaivay, indrindra amin’ny voalazan’ireo mpitsikera sy mpanao fanamarihana fa tsy fahafehezana […]
Filoha Rajoelina Andry tany Sambava : « Harovantsika ny tantsaha mpamokatra lavanila »
Nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny lavanila ny filoha Rajoelina Andry, omaly, tao Sambava. Nivoitra tamin’izany ireo fepetra sy ny fijerena manokana ireo tantsaha, mba hahazoan’izy ireo tombony. Nitafa mivantana tamin’ ireo rehetra tafiditra amin’ny seha-pihariana lavanila ny Filoha sy ny Praiminisitra. Nohenoina avokoa ireo hetaheta sy olana ho […]
Talatamaty : 5 lahy tratra nangalatra moto
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ireo dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nikasa hivarotra moto tsy misy taratasy teny amin’iny faritra Talatamaty iny ry zalahy. Efa nahazo angom-baovao mialoha anefa ny zandary ka nametraka ny paikady rehetra hahafahana […]
Nandriaka ny ra… : raim-pianakaviana maty voahitsaky ny kamiaobe nitondra vato
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao Antanandava-Toamasina, sampanana mivily mankany amin’ny Lycée faharoa, omaly. Raim-pianakaviana iray nandeha bisikileta nipoitra avy any amin’ny sampanan-dalana handray ny RN2 no maty voatrongin’ny kamiaobe mpitatitra fasika sy vato. Nandriaka eran’ny arabe ny ra, niforitra mihitsy ilay bisikileta nandehanany. Efa ao amin’ny fokontany 11/58 Ankirihiry ny […]




