Auteur/autrice : Adnews

Anjozorobe : nohamafisina ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana

Mitohy ny hetsika hametrahana ny fandriam-pahaleme­na ataon’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imeri­na Centrale. Afakomaly, nanentana ireo mponina avy ao amin’ny kaominina Andranomisa, distrika Anjozorobe ny mpitandro filaminana. Voaresaka tamin’izay ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Hetsi­ka natao hisorohana sy hanafoanana ireo trangana fakana an-keriny eny ambanivohitra. Nitarika ny dinika tamin’izany ny kapiteny […]

«Direction des combattants nationalistes» : miahy ireo bekotro maroholatra niady ho an’ny fahafahana

Rafitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Fitaleavana ireo mpiady tia tanindrazana na ny (DCN), etsy Analakely. Mpi­ahy ireo bekotro maroholatra niady ho an’ny fahafahana ary mikolokolo ireo vakoka mitahiry izany ity fitaleavana iray ity. Naorina taorian’ny tsirin-kevitra avy amin’Itompoko­vavy Gisèle Rabesahala, mi­nisitry ny Kolontsaina tamin’ izany fotoana izany ny […]

Literatiora : mitohy ny velakevitra momba ny teny malagasy

Tanterahina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ano­sy, ao amin’ny efitrano Dox, ny velakevitra momba ny teny malagasy. “Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ao anaty literatiora” io no lohahevitra hovelabelarina mandritra iza­ny. Ratsimbazafy Heriarilala, mpandala ny teny sy ny literatiora malagasy no hitarika izany. Ny fikambanana famoloana Telozoro no mpikarakara. Hetsika tanterahina […]

Ratovo Valiha : « Tsy vitan’olon-tokana ny fampivelarana ny valiha »

Iray amin’ireo andrarezina amin’ny fitendrena sy fika­rohana momba ny valiha, Ratovo Valiha. Toerana sy sehatra ary firenena maro no efa nanehoany ny talentany sy ny voka-pikarohana vitany. Nilaza ny heviny momba ny fomba hoenti-manapariaka sy mampivelatra ny tontolon’ny valiha izy, omaly. «Tsy vitan’ olon-tokana ny fampivelarana ny tontolon’ny valiha», hoy […]