Auteur/autrice : Adnews

Fikoloana ny fahadiovana sy ny fidiovana: hentitra ny fifantenana ireo mpanara-maso

Ao anatin’ny dingana fitsarana ny fifaninanana amin’ny fandraisana ireo olona hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hentitra sy mangarahara ny fifantenana. Nanazava ny talen’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny CUA, Ramilijaona Andry fa hentitra sy mangarahara tanteraka ny fanatanterahana ny […]

Taolagnaro : namatsy vola famatsian-drano ny QMM

Mitentina 260 tapitrisa Ar ny toby famatsian-drano fisotro avy amin’ny orinasa QMM ho an’ny tanànan’Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ao anatin’io famatsiam-bola io koa ny kojakoja fanolo ilaina any aoriana any. Fomba fanasivanana voajanahary no entin’ity fotodrafitrasa ity, mamatsy paompy miisa telo ao an-tanàna. Mam­pihodina azy ny angovo azo havaozina avy amin’ny […]

FAO sy Micc : miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Eo ny minisiteran’ny In­dostria, ny varotra sy ny fanjifana (Micc), miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO, miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fepetra iraisam-pirenena. Niarahan’ny roa tonta nanao sonia, omaly, ny tetikasa amin’ ny fanamafisana eto amin’ ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Ampiasaina avokoa ny fitaovana teknika rehetra sy fepetra […]

Amoron’i Mania : nidina ifotony ny minisitra roa

Niaraka nidina tany Ambo­sitra, faritra Amoron’i Mania, ny 25 febroary teo, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herin­drainy Olivier, sy ny ao amin’ ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo­niaina. Anton-dian’izy ireo ny nijery ny fotodrafitrasa sim­ban’ny rivodoza Freddy, sady nitondra fanampiana ho an’ny traboina. […]

Antenimierandoholona: fiaraha-miasa maro amin’i La Réunion

Maromaro ny toerana notsidihin’ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Antenimie­randoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, atsy amin’ny Nosy La Réunion, hikarohana fiaraha-miasa. Notsidihina ny foibe frantsay iraisam-pirenena mikasika ny fampianarana, fanofanana ny olom-boafidy, ny mpianatra, ny mpiasa ambony, ny fitan­tanan-draharaha, ny tanora mpiasa, sns. Eo koa, ny Con­servatoire botanique de Mas­carin (CBN), misahana […]