Auteur/autrice : Adnews

Fiangonana RHEFI Androndrakely : hivavaka manokana ho an’ny firenena

Ity taona 2023 ity no manamarika ny 18 taona nisian’ny fiangonana Rhefi eto amin’ny Nosy, izay ao Androndrakely no misy ny foibeny. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity trano fivavahana ity, ny sabotsy teo, somary hiavaka ny fankalazana izany vaninandro izany, satria hanatontosa fotoam-pivavahana lehibe ao amin’ny Coliseum Antsonjombe […]

Fitsaboana nentim-paharazana : “Manana etika sy deontolojia…”, hoy i Jean Nirina R.

Tsy afaka mitsabo ny olona iray raha tsy manana ny taratasy fanamarinana avy amin’ny fikambanana misehatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana satria misy ny etika sy deontolojia, raha ny fanazavan’i Jean Nirina Rafanomezantsoa Nandray hatrany ireo mpianatra avy amin’ny oniversite (fanjakana na tsy miankina) nangataka fiza­rana asa sy fampiofanana arakasa toy ny […]

Fondation Daiho- Uchida : vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra 5 mendrika

Natolotry ny fikambanana Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny zoma 24 febroary teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy miisa dimy mendrika avy amin’ny sekoly ambony. Mi-tentina 1.000.000 Ar tsirairay avy izany ho azy dimy mianadahy, hoentina hanatsarana sady hanampiany ny fianarana rantoviny. Isan’ny masontsivana hi­sa­fidianana ny mahazo vatsim-pianarana avy amin’ny Fon­dation […]

Talohan’ny Covid-19 : nisanda 1,7 miliara dolara ny fizahantany

Manomboka mahazo va­hana ny fizahantany eto Ma­dagasikara. Mahasarika olona maro isan-taona avy amin’ny tany rehetra. betsaka ny zavatra hita mifangaro sy karazana tsiambaratelo maha hafa ny Nosy eo amin’ny tontolon’ny zavaboahary sy ny biby mampiavaka azy amin’ny rehetra. Fitsidihana indray man­deha atao amin’ny Nosy, tsy mahavita hahafantarana ny zava-drehetra, tantara […]

Andraharo : niampy roa indray ny vokatra Polaris

Miavaka amin’ny tanjany sy ny fahafahana mandeha amin’ireo lalan-dratsy, niampy roa indray ireo vokatra marika Polaris amidin’ny eo anivon’ ny orinasa CT Motors nanomboka ny asabotsy teo. Anisan’ izany, RZR Pro 74 Turbo R Ultimate. “Manana tanjaka 180 CV, azon’ny mpankafy SUV entina amin’ireo toerana ivelan’ny renivohitra heve­rina ho saro-dalana […]