Auteur/autrice : Adnews

MJS: nifandimbiasana ny fitsidihana ny minisitra

Herinandro taorian’ny nanendrena azy ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, nifandimbiasana sahady ny fitsidihana ny minisitra, André Haja Resampa, tetsy Ambohi­jatovo. Anisan’ny tonga nitsidika sy nifampidinika taminy, ny filohan’ny Komity olympika malagasy (KOM), Randrianaso­loniaiko Siteny. Niarahaba sy nanamafy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena sy ny […]

SESAM: nampiseho firaisankina tamin’ny fambolen-kazo

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambohimanga, ny klioba sy dojo ary sports extrêmes mivondrona eo anivon’ny Sesam (Sports extrêmes et salon des arts martiaux), ny asabotsy 25 febroary lasa teo. Tetikasa hiarahana amin’ny RSE (Responsabilité sociétale des entreprises). Zanakazo karazany maro toy ny hazo fihinamboa, legioma sy mangahazo no nambolena nandritra izany, […]

Rayan Raveloson : nitondra fandresena ho an’ny ekipany

Nahatafiditra baolina Raveloson Rayan, Malagasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny AJ Auxerre Fantsa. Baolina tokana nitondra fandresena ho an’ny AJ Auxerre, rehefa nandavo ny FC Lorient, klioba frantsay tamin’ny isa 1 no ho 0. Lalao notanterahina, omaly, tao amin’ny kianjan’i Le Moustoir Frantsa. Fihao­nana tafiditra amin’ny andro faha-25 ny fiadiana […]