Auteur/autrice : Adnews

Tanàn-dehibe: mitombo isa ny mpivarotra tsy ara-dalàna

Mitombo isa ny mpivarotra amin’ny tanàn-dehibe rehetra tato anatin’ny dimy taona farany. Matetika hita ireo mpivarotra ireo, indrindra maro ny manamorona ny lalana, ireo antsoina hoe « informels ». Karazan-javatra maro ihany koa ny hita amidin’izy ireo, mety hohanina na tsy mety hohanina. Navoakan’ireo mpanadihady ny toekarena eto an-toerana fa mitombo isa […]

Taorian’ny fandalovan’i Freddy : notohanana ireo mpampianatra Fram ao Mananjary

Nanolotra fanampiana vary 25 kg isan’olona ho an’ ireo mpampianatra Fram 36 ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Manan­jary, ny faran’ny herinandro teo hanohanana azy ireo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Nanome vola miten­tina 400.000 Ar koa ny filoha lefitry ny Antenimierando­holona misahana ny tapany Atsimo, Rabemananjara Ni­colas. Notontosaina […]

Faritra Analanjirofo : nitokona efa ho iray volana ny mpiasan’ny fahasalamana

Ho lasa takalonaina ny marary manomboka anio amin’ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ao anatin’ny faritra Analanjirofo. Fitakiana fialan’ny talem-paritry ny fahasalamana ny anton’ny fitokonan’ ny mpiasa efa ho iray volana ary mbola tsy hita izay marimaritra iraisana. Ny tale notakina hoesorina nametraka fialan-tsasatra ary neken’ny mi­nisitera mpiahy. Hatramin’ izao, tsy […]