Auteur/autrice : Adnews

Tsenan’Ambatomaro Ampanotokana : nanaiky ny “digitalisation” ny mpivarotra

Ankoatra ny fijerena ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny tsena eny Ampanotokana, nitsidika ny tanànan’Ambatomaro koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly. Nijery ny fandrosoan’ ny asa teny amin’ny tsenan’Ambatomaro Ampanitokana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsi­tohaina Naina, omaly. Efa mijoro ny Fikambanan’ireo mpivarotra volamasoandro Ambatomaro (FIMVA) ivondronan’izy ireo. Efa nahavita fanaovan-tsonia fifanarahana […]

Analanjirofo : mbola mitokona ny mpiasan’ny fahasalamana

Tsy asian’ ireo mpiasan’ny fahasalamana mitokona ao Fenoarivo Atsinanana hasina intsony ny solontenam-panjakana notarihin-dRasolomampionona Emmanuel, Préfet Fenoarivo sy ny vondron’olon-kendry ao an-toerana. Samy niantso ireo solontenan’ny mpiasa mitokona izy ireo mba hiaraka hivory hikarohana vahaolana momba ny fitakian’ izy ireo. Noho ny fikatsoan’ny asam-pahasalamana izay efa ahina hiantraika amin’ny ain’olombelona […]

Fanampiana ny marefo : tokantrano 14 880 nisitraka vatsy any Atsimo Atsinanana

Mbola misy amin’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’i Midongy Atsimo sy Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana no tsy tafarina ary mila tohana sy fanampiana ara-tsakafo taorian’ ny nandalovan’ny rivodoza nifanesy ny taona lasa sy voakasiky ny rano be fa­rany teo. Nizara vatsy Tsinjo ho an’ny kaominina valo anatin’ny distrikan’i Vondrozo (Vondrozo, Andoharano, […]

Fanofanana mpitsabo ao anatin’ny 3 volana: maro ireo nahatsiaro ho voatohintohina ka miandry ny fampiharana ny lalàna

Dokotera, profesora, mpivarotra fanafody, mpitsabo nentim-paharazana matihanina, olon-tsotra…. Samy nahatsiaro ho voatohintohina tamin’ny resabe momba ilay fampiofanana mpitsabo ao anatin’ny 3 volana. Samy naneho ny heviny izy ireo ary miandrandra ny fampiharana ny fepetra hentitra manodidina izany. Nanaitra ny sain’ny maro, indrindra ny dokotera sy ireo mpivarotra fanafody ma­tihanina ny […]

Raha hiverina eny an-doharano : ny tenin-drazana no hoenti-mampianatra

Andro vitsy lasa, nanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-drazana » i Madagasikara. Tazana hatrany ny fampirantina, vela-kevitra, seho samihafa eny an-tsehatra… Tsy ampy ny hetsika indray mandeha ao anatin’ ny taona raha hikendry ny hampivelatra sy hanome ha­sina ny teny sy ny tany (tanindrazana) ary indrindra hive­rina eny an-doharano amin’ny […]