Auteur/autrice : Adnews

Rugby – « XXL Top 20 »: mampiseho ny maha sangany azy ny Cosfa sy ny FTM

Mbola mampiseho ny tena maha ekipa sangany azy eto Madagasikara ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjaka­ray, nandritra ny fifaninanana Top 20 taranja rugby 2023. Lalaon’ ny andro voalohany amin’ny fifaninanana, notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka. Lavon’ny Cosfa tamin’ny isa 118 no ho 17 ny JSTA Ambon­drona. Ny […]

Volley-CAVBZone 7: tsara fanombohana ny ekipan’ny GNVB

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, tao Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 (CAVBZone 7), taranja Volley ball. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Zandarmariam-pirenena malagasy. Fandresena avy hatrany no azon’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball), sokajy vehivavy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana « CAVBZone […]

IFM Analakely : manomboka ny “Festival Zaza Mifety”

Nosokafana ny asabotsy 25 febroary 2023, teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar na IFM Analakely ny hetsika lehibe “Zaza Mifety” andiany voalohany. Mandritra ny herinandro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Hetsika maro ny handravahana ny “Festival Zaza Mifety”. “Tanjon’ny mpikarakara ny hamokatra hetsika ho an’ny ankizy, ny sahala […]

Hatsaram-bika sy tarehy : ho fantatra ny mpandray anjaran’ny Miss Madagascar 2023

Taorian’ny fotoana lava niandrasana ny fifaninanana, nanambara ny tomponandraikitry ny “Miss Madagascar 2023” fa ho fantatra amin’ity anio ity ny anaran’ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifaninanana. Ny “Miss Ma­dagascar 2023” no hahafantarana izay hisolo tena antsika amin’ny “Miss World”. Hanomboka tsy ho ela, araka izany, ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”. […]

Ortana 2023 : «Volana iray, tsidi-bohitra iray»

Io no namaritan’ny Ofisim- paritry ny fizahatany eto Analamanga (Ortana) ny fandaharam-potoana arosony ho an’ny mpizahatany amin’ity taona 2023 ity. «Volana iray, tsidi-bohitra iray», miainga ny volana marsa izao ka hatrany amin’ny volana desambra, hahatratra 10 ny tsidi-bohitra hotanterahina eto Analaman­ga. Nampanarahina lohahevitra tsirairay ny fitsidihana isam-bohitra. Nokendrena amin’izany ny […]