Auteur/autrice : Adnews

Minisitra Resampa André Haja: “Omanina ireo atleta andiany faharoa hiofana any ivelany”

Notanterahina omaly ny filankevitry ny minisitra. Nilaza ny minisitry ny Fanatan­ja­hantena, Resampa André Haja, fa hisy atleta malagasy andiany hafa hiofana any ivelany. Hisy koa ny fikarakarana ny amboaran’ny filoha. Hametraka ny paikady “Vohitra”. “Efa mikarakara ireo atleta malagasy andiany faharoa hiofana any ivelany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena”, hoy ny minisitry […]

Skoty –Andron’ny mpanorina : mpamonjy voina 120 nahazo mari-pankasitrahana

22 febroary. Ahatsiaro­vana ny andron’ny fieritreretana sy andron’ny mpanorina ny skotisma maneran-tany. Fantatra amin’ny anarana hoe: “Baden Powel”. Natao teny Analakely izany, omaly maraina. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. Satria namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo vondron’ny mpamonjy voina eto Analamanga afovoany. Miisa 120 mianadahy izy ireo. […]

Talata matavy : nomarihin’ny sekoly tamin’ny fanaovana diabe

Nankalaza ny talata matavy ny sekoly maro teto An­tananarivo, afakomaly. Na­seho tamin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany. Nanaovana diabe manerana ny tanàna ho an’ny sekoly Les Petits Lauréats etsy Ambodiafontsy Ampitatafika. Nandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra an­jara. “Ny tontolon’ny asa” ny lohahevitry ny hetsika ho azy ireo. Nanao fanamiana […]

Jly Rakotoarijaona Josoa : “Zava-dehibe ny fiaraha-miombon’ antoka eo amin’ny mpitandro filaminana”

Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, araka ny famelabelarana ny fandaharan’asa nataon’ny MDN, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ,omaly… Tanjon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny hiantoka tanteraka ny fandriampahalemana amin’ny sehatra rehetra na an-tanety na ana habakabaka na an-dranomasina, araka ny fa­na­zavan’ny minisitry ny Fia­rovam-pire­nena […]