Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, foana ny filazana miloko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Noho izany, miverina ny fampianarana anio sy rahampitso ho an’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny kilasy famaranana. Voakasika avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana […]
Auteur/autrice : Adnews
Andron’ny skoto : navitrika tamin’ny fanomezan-dra ireo tanora
Nomarihina tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra ny andron’ny skoto, omaly. Tonga maro ireo skoto nanome ra an-tsitrapo teny amin’ny HJRA. Mariky ny fiombonan’aina amin’ireo olona mila ra ary fanavotana ny ain’ny mpiray tanindrazana rahateo no natao. Nifanojo tamin’ny fahatongavan’ny rivodoza Freddy ihany koa ny andron’ny skoto omaly. Naneho fahavononana amin’ny fifanomezan-tanana ho […]
Fitantanana ny fako: miara-miasa ny CUA sy ny Jica
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny tetikasa fitantanana ny fako eto an-dRenivohitra (GESDA), izay iarahana amin’i Japon ho fanampiana ny kaominina sy ny SMA amin’ny fako eto Antananarivo. Misokajy roa ny tetikasa dia ny fanomezana fitaovana hampiasain’ny SMA sy ny fifanakalozana traikefa iarahana amin’ireo manam-pahaizana avy any Japon. Mikendry ny […]
Namela takaitra i Freddy: 4 no namoy ny ainy, 16 709 ireo traboina
Mavesatra ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Freddy, namoizana aina rahateo, tany Mahanoro sy Ambalavao. Maro ny trano tsy nisy tafo intsony… Omaly maraina, efatra ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Iray nandeha lakana ka lasan’ ny rano tany Mahanoro, fokontany Ampapanambo, ny talata hariva, ny telo […]
Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: hotendrena tsy ho ela ireo masoivoho
Anisan’ny fandaharanasan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla ary nohamafisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly ny hanendrena ireo masoivohon’i Madagasikara, any ivelany. “Hanomboka amin’ny alarobia izao ny fanendrena ny ambasadaoro any amin’ ireo firenena tsy mbola ananantsika solontena”, hoy izy. Nambaran’ny minisitra fa tafiditra anatin’ny velirano fahatelo ary mifandraika […]




