Manohy ny diany hatrany ny Tanora Masina Itaosy. Fantatra izao fa hanatanteraka rindran-kira eny amin’ny FLM Ebenezera Sabotsy Namehana ry zareo, ny alahady 22 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Fotoana hamerenan’ny Tanora Masina Itaosy indray ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Hitondrany ny vaovao ihany koa. Hanehoany […]
Auteur/autrice : Adnews
Tenindreny : Ahavitana fikarohana ny teny malagasy
21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanamarika azy io ny Oniversiten’Antananarivo, Zanatsehatra Malagasy (Ivontoeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny Malagasy (Itazoma)/(Ciram) ). Hiompana amin’ny lohahevitra « Teny malagasy, ahavitana raharaham-pikarohana». Hisy ny velakevitra mifanitsy amin’io lohahevitra io, hotanterahin’ireo mpampianatra eny an-toerana. Anisan’izany Rabenilaina Harinia, profesora fakioliten’ny EGS, […]
Ikalalila : Namoaka ny « Domoina »
Tsy rakikira feno fa ampahany ihany ny « Domoina ». Ampy hahenoana, hahalalana, hankafizana ny sanganasan’Ikalalila anefa izany. Hira 6 hanehoan’ity mpanakanto ity ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny mozika, hozarainy amin’izay liana manomboka anio, amin’ireo vovonam-panjifana mozika maromaro. Tsy namoaka hira satria izany ny fanao, fa mizara aingam-panahy narahina forona sy […]
« Mpanakanto Miray Feo »: Haneho firaisankina ho an’i Toamasina
Sady nanamafy ny antom-pisiany no naneho firaisankina ho an’ny mpiray tanindrazana ireo Mpanakanto Miray Feo. Seho 3 aloha no hanombohan’izy ireo ny fanampiana an’i Toamasina. Ny 20 febroary, ao amin’ny La City Ivandry sy etsy amin’ny le Glacier Analakely. Ny 21 febroary kosa, ao amin’ny Le Glacier ihany, samy amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Notolorana karazana fanampiana samihafa sy lelavola ireo mpiasan’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny BCMM any Toamasina, faritra Atsinanana. Tonga tany an-toerana, nanatanteraka izany, ny 18 febroary teo, ny sekretera jeneralin’ny minisitera. Nanampy amin’ny fifampitsinjovana avy tamin’ny minisitera sy ny rantsamangaika manerana ny Nosy ihany koa ny anjara biriky […]




