Efa an-taonany maro ny vondrona Star no nandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, fa tsy mionona amin’ny famokarana zava-pisotro. Anisan’ny hanokanana tetikasa ny fambolen-kazo. Mitana andraikitra lehibe amin’izany ny orinasa Malto, ao anatin’ny Vondrona Star, miara-miasa akaiky amin’ ireo tantsaha mpamatsy akora fototra ny orinasa ilaina amin’ ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandalovan’ny Gezani : Simba 98% ny taribim-pifandraisan-davitra
Lasibatry ny rivodoza farany teo ireo fotodrafitrasam-pifandraisan’ny Yas Madagascar ao amin’ny faritra Atsinanana, potika hatrany amin’ny 98%. Voakasik’izany ny ao Toamasina, Brickaville ary Foulpointe, ka niteraka fikorontanana tamin’ireo tolotra « fibre » sy ny antso. Manara-maso akaiky ny zava-misy, noho izany, ny orinasa ka nitondra vahaolana vonjimaika hiantohana ny fitohizan’ny […]
Fokontany madio: Fifaninanana hamerenana ny hasin’ny tanàna
Hanentanana ny olona handray andraikitra, sy hanova toe-tsaina ary hitandro ny fahadiovan’ny tanàna ny fifaninanana fokontany madio. Hetsika atao mandritra ny roa volana, manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra. «Antananarivo madio, fahadiovana fototry ny fahasalamana, antoky ny fampandrosoana ny firenena », ireo ny teny nentin’ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy […]
TSELATRA
Vehivavy iray 35 taona, mpisoloky amin’ny alalan’ny vovo-bolamena sandoka, voasambotry ny polisy miasa ao Antaniavo, omaly. Voarebirebin’ny lehilahy miisa telo sy vehivavy iray, ny lehilahy 48 taona, omaly, tetsy akaikin’ny EPP Antanimena. Nandatsaka vola 5 000 Ariary tamin’ny tany ireo olon-dratsy, ary nahitana vovo-bolamena tao anatiny. Nokasain’izy ireo hamidy 400 […]
Ambohimanga Rova : Olona 26 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo
Nahitana trangana fahapoizinana ara-tsakafo indray teny amin’ny fokontany Iavoambony, kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova, distrikan’Antananarivo Avaradrano, nanomboka ny sabotsy lasa teo. Am-polony ireo narary vokatr’izany, ny alahady lasa teo. Tafakatra 26 ireo olona marary sy manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly Anosy Avaratra, hatramin’ny talata lasa teo, raha ny tatitra voaray avy […]




