Auteur/autrice : Adnews

Filoha Rajoelina – 7 febroary : “Hanamaivana antsika ny fifamelan-keloka”

Nomarihina, omaly tetsy Antaninarenina ny faha-14 taon’ny 7 febroary 2009. No­tsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany ilay vavaka nampianarin’ny Tompo, momba ny fifamelana ka tokony hamelana ny helok’ireo rehetra nanao ratsy. “Andriamanitra hamaly ny ratsy sy ny tsara nataon’izy ireo. Antsoina kosa isika ha­mela ny helok’izy ireo. Hana­maivana antsika izany ary […]

Resaka « Tsalenjy »

Tankina ny vava, sadaikatra ny tanana hanoratra, sanganehana ny saina mandinika azy, tohina ny fo mijery azy ireo. Izay no azo hamehezana ny zava-nisy omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera « facebook ». Tsy tahotra tsy henatra ny tanora, mandray anjara amin’ilay resaka fifaninanana, fahasahiana mifanoroka imasom-bahoaka ny samy lehilahy. Ho tambin’izany ny fanomezana vola […]

« Tara jiro » : zanaka filoham-pokontany maty voatifitra

Narahin’ireo dahalo tamin’ny alalan’ny jiro mazava “lampe de poche” teny an-tanany, maty voatifitra ny basy ny zanaky ny sefom-pokontany iray tao anatin’ny distrikan’Ihorombe, ny alin’ny alatsinainy teo. Maty notifirin’ny olon-dratsy ny zanaky ny sefom-pokontany tao Satrokala, distrikan’Ihorombe, afakomaly alina. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, nisy olona nihaodihaody tao an-to­kontan’ […]

Zava-mahadomelina : mpivady nahatrarana rongony 254 fonosana

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny vela-pandriky ny zandary ireo telo lahy mpanaparitaka rongony tao Amboanjobe, kaominina ambanivohitra Bon­ga­tsara , distrika Antananarivo Atsimondrano, ny alatsinainy teo. Mivarotra ireo zava-mahadomelona ireo amin’ny tanora manodidina, efa nalaza ratsy teny an-toerana izy mivady. Natao ny fisavana ny tranon’izy mivady. Sarona tamin’izany ny fonosana rongony mitotaly 254. […]

Esira: nahatratra 17 ireo voasambotra

Mbola miatrana ao Besa­ko­akely, kaominina Esira, distrikan’Amboasary Atsimo ny mpitandro filaminana taorian’ny fifandonana ny asabotsy teo. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra 17 ireo voasambotra tamin’ity raharaha ity. Voasambotra ny alahady teo tao Emitray ny 15 tamin’ireo raha afakomaly, tao Esira kosa ny roa hafa, hoy ny loharanom-baovao iray. Notohizany fa […]