Mandeha ny fampiroboroboana ny niomerika eny anivon’ny fitsarana, hitantanana ny raharaha ady madio. Nankatovina ny 9 desambra teo ny bokin’andraikitra, mirakitra ny fitaovana informatika nomena ny anarana hoe « logiciel » taorian’ny dingana rehetra natao teny amin’ny fitsarana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Hisitraka sy hampiasa ity « logiciel » ity ny fitsarana ambaratonga voalohany […]
Auteur/autrice : Adnews
Rio Tinto QMM : mifampiraharaha amin’ireo manana olana ara-tany
Ny 12 desambra 2022, nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Rio Tinto QMM niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpanjono sy ny mpampanofa fitaovana (usufruitiers). Izany dia tafiditra amin’ny fifanarahana vita sonia, ny 20 mey 2022, niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy ny solontenan’ny mpanao fitarainana. Nanaiky ireo mpanjono sy ny hafa hanomboka ny fifampiraharahana. Fanambarana […]
Sainte -Marie : hamafisina ny fiofanana fandraisam-bahiny
Notokanan’ny Vatel Madagascar, any Sainte Marie, ny 10 desambra 2022 teo, ny foibe fanofanana momba ny asa mifandray amin’ny fandraisam-bahiny anatin’ny hotely, mitondra ny anarana «Fanorona» : mpahandro, mpandray vahiny, mpikarakara efitrano, mpandroso sakafo. Telo volana ny faharetan’ny fiofanana, fianarana sy fampiharana . Ny fianarana dia ao amin’ny foibe Cetamada , […]
Tsy nahomby ny fitantanana :«Mitentina 780 miliara Ar ny devizy volamena tsy hita», hoy ny Fitsarana ny kaonty
Voalaza fa voarara ny fanondranana volamena mankany ivelany, nanomboka ny oktobra 2020. Araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty anefa, misy ny tarehimarika voarain’ny sampana fadintseranana fa naondrana any ivelany, ary misy koa etsy andaniny ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021. Nanao tatitra ny […]
Johannesburg : nodinihina ny ady amin’ny fanararaotana anaty internet
Notanterahina tao Johannesburg, renivohitr’i Afrika Atsimo, ny 8 hatramin’ny 10 desambra lasa teo, ny atrikasa mahakasika ny tetikasan’ny firenena afrikanina entina miady amin’ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ireo ankizy amin’ny alalan’ny internet. Nodinihina ny paikady mifanandrify amin’izany ary ny fametrahana sori-dalana enti-miady amin’izany aty Afrika. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy […]




