Hotanterahina manomboka tamin’ity herinandro ity ny fanangonam-baovao mikasika ireo mpifindra monina ao amin’ny fokontany 100, avy amin’ny kaominina 20 ao amin’ny distrika efatra any atsimon’ny Nosy (Amboasary, Ambovombe, Ampanihy Andrefana ary Tsihombe). Hanaovana tatitra momba ny fifindra-monina izay hivoaka mialohan’ny faran’ity taona ity no tanjona amin’ny fidinana ifotony sy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
CUA : 200 ireo polisy monisipaly horaisina
Handray mpiasa vaovao 200 amin’ireo 400 mifaninana, polisy monisipaly, ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nisy ny fanadinana am-bava, nataon’ireo mpiadina ireo, teny amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, omaly. Raha ny fanazavana voaray, 33 ny isan’ireo vehivavy nisoratra anarana, nifaninana, tamin’izany. Nozaraina efatra kosa teo amin’ny adina am-bava, izay mitsinjara […]
CUA-OIF : ankizy 12 000 hisitraka kopia
Hamatsy vola ny fanomezana kopia faobe ho an’ny ankizy 12 000 ato anatin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra ny OIF. Taorian’ny fandalovan’ny sekretera jeneralin’ny OIF teto Antananarivo, telo volana lasa ka nanatrehany ny fizarana kopia ho an’ny kilonga, nanambara izy fa tokony hotohizana ny ezaka vita ka nitarika izao fanaovan-tsonia fanatanterahana […]
Tsena Analakely: hiverina hisokatra ireo “pavillon” nakatona
Afaka miverina amin’ny asany amin’izay ireo mpivarotra eny amin’ny “pavillon” Analakely. Nisaotra an’Andriamatoa Andriantsitohaina Naina, ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny solon-tenan’izy ireo. Manomboka mahazo mivarotra amin’izay ireo toeram-pivarotana “Pavillon” fito nakatona ao Analakely. Tonga nanolotra ny fisaorana ho an’Andriamatoa Naina Andriantsitohaina, Ben’ ny tanànan’Antananarivo, tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, omaly talata, […]
Nosy be Trail : Fahatelo i Fred, mpanao gazety
Nandrombaka ny medaly alimo tamin’ny “Nosy be Trail”, Razafintsalama Alfred (Fred), mpanao gazety ao amin’ny Aceem Radio, sady mpikambana eo anivon’ny UJSM (Union des Journalistes Sportifs de Madagascar), teo amin’ny sokajy “Veteran 3”. Fifaninanana, natao ny asabotsy lasa teo. Tontosany tao anatin’ny ora 4 sy 39 mn ary 03 s […]




