Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Tafaverina hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka, Andriamahazo Norolalao. Izy indray izany no handimby an-dRaherison Dominique. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ ny Ininfra Alarobia, ny fivoriamben’ny fifidianana ny taranja Atletisma malagasy. Andriamahazo Norolalao, […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Fitrandrahana solika miisa efatra ao amin’ny Madagascar Oil no nofohanana nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy teo. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanaraha-pizarana famokarana miisa 21 sy fahazoan-dalana miisa 21. Marihina fa isan’ireo mpisehatra tranainy voakasiky ny fanafoanana ny any Bemolanga. Ity farany izay saika ho trandrahana ho an’ny famokarana […]
Fifanakalozana tamin’ny sehatra tsy miankina : Dinika ho an’ny fampivelarana ny fandraharahana
Hojerena ireo paikady ahafahan’ny mpandraharaha mivelatra sy hahomby. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny sehatra tsy miankina tamin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), ny zoma teo, tetsy Anosy. “Mila havaozina ny rafitry ny hetra, takina ny mangarahara, hampirisihana ny fampiasam-bola”, hoy ny sehatra tsy […]
Minae: Hamafisina ny fefilohan’i Sisaony
Mitohy ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ireo rantsa-mangaika. Voakasik’izany ny fanamafisana sy fanarenana ny fefilohan’i Sisaony, fokontany Tolongoina, kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Nampitomboina ho 100 ny olona, mponina eny an-toerana, manatanteraka ny asa fanarenana, sandaina 7 000 Ar isan’olona isan’andro. Vinavinaina ho […]
Fampiasana banky : Mbola ny 12% ny mpanjifa no misitraka
Ambany ny tahan’ny fampiasana ny banky (taux de bancarisation) eto Madagasikara. Mifandray sy mifampiankina ny andraikitry ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ireo rafitra mpamatsy vola amin’ny fampiasana ny banky mba hipaka amin’ny mpanjifa ny tolotra. Eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 12% ny tahan’ny fampiasana banky, raha banky irery no […]




