Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny « Fitsaram-bahoaka » fandorana olona, tao Tsarahonenana Antsirabe ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nam­barany fa tsy vahaolana ny valifaty. An’Andriamanitra irery ny aina. « Mila mahatoky ny rafi-pitsarana isika na eo aza ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana manoloana ny lesoka », hoy izy. Vonona ny hamerina ireo vola sy fananana tsy ara-dalàna […]

Fanavaozana : Manohana an’i Madagasikara ny Britanika

Nanamafy ny firenena britanika fa manohana an’i Ma­dagasikara amin’ny fanovana tanteraka. Tsapan’izy ireo fa firenena manana ireo harena rehetra i Madaga­sikara, nefa robain’ireo olom-bitsy. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fihaonan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny ambasadaoro brita­nika, i Paul Brummell, monina sy miasa atsy Maorisy, tatsy Port […]

Fiainam-bahoaka

  Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Amin’ity hoe fanovana na fanavaozana… Na efa misy fihatsarany aza, ohatra, ny famatsian-jiro, tsy mbola tena mahafa-po. Misy faritra sasany tena mbola mampitaraina ny mponina ao an-toerana. Ny rano indray, tsy misy fiovana firy : tapatapaka, maloto, misy fofona… Tsy hita be ihany […]

Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika: « Helohinay ny fanjakan’i Eswatini nandray an-dRajoelina »

Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Nohelohin’izy ireo tamin’izany ny fihetsiky ny fanjakan’i Eswatini. «Manameloka tanteraka ny fandraisana ofisialy na­taon’ny fanjakan’i Eswatini (Swaziland) ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, efa nesorina teo amin’ny fahefana ny fitondram-panjakana mala­gasy », hoy ny fanambarana. […]