Tolotra manakaiky vahoaka, natao ho an’ny Malagasy rehetra. Mitohy ny fitantarana amin’ny teny malagasy, ao amin’ny rohim-pandaharana fahitalavitra avoakan’ny StarTimes, ireo fifaninanana baolina kitra iraisam-pirenena, toy ny fifaninanana espaniola Laliga. Manatanteraka izany ny mpitantara matihanina, i Daniel Randriamaro sy i Edouard Ratovoson, fantatry ny maro hoe Rayest. Efa nanomboka tamin’ […]
Auteur/autrice : Adnews
Pureplay Football League : Tsy mandray lalao ny Kianja Rabemananjara
Tsy afaka hampiantrano lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny Kianja Rabemananjara Mahajanga noho ny fisian’ny korontana ataon’ny mpitsara vitsivitsy, izay mikomy any an-toerana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny CFEM ny tsy hanisy fihaonana any an-toerana mandra-pahatonga ny lamina vaovao. Tapaky ny mpikambana eo anivon’ny Kaomisionina hikambanan’ireo klioba elita […]
INDRAY MIJERY
Araka ny vinavina, hitombo hery miandalana ilay andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo ivoarany. Mety ho lasa rivodoza izy, anio. Araka ny antontan-kevitra voaray, manambana mivantana ny faritra Avaratra Andrefana iny ity andro ratsy ity, rahampitso maraina. Entanina sahady ny mponina amin’ny faritra Boeny […]
Zo ara-pananahana : Ankilabao ireo manana fahasembanana
Mahatsiaro tena ho tsy misitraka feno ny zo ara-pananahana ireo vehivavy manana fahasembanana, raha ny nambaran’ny solontenan’ izy ireo, Raharivelo Lala, ao amin’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara, Afham. Tsy mbola tafita tsara ny hafatra ho amin’izany sy ny fiterahana izay tokony hositrahin’izy ireo amin’ny maha olombelona azy. Mbola […]
Fahasalamana : Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana
Tamin’ny taona 2015, fantatra fa i Madagasikara no firenena faha-13 anjakan’ny vohoka aloha loatra. Raha ny salanisa dia tovovavy 1 ao anatin’ny 3 amin’ny salan-taona voafaritra amin’izany no efa manan-janaka. “Tsy mbola tena misy ny fanabeazana ara-pananahana feno na ao an-trano na any an-dakilasy, any anaty fikambanana, amin’ny fiarahamonina”, hoy […]




