Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola anisan’ireo noraisin’ny iraky ny SADC ny Vato, ahitana ny Gen Z, Gen Y, GMH, omaly. Nirohotra nankeny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izy ireo nitaky izany fihaonana izany sy niantsoantso miaraka amin’ny sorabaventy ny handravana ny Ante­nimie­ram­pirenena. Takin’izy ireo koa ny hanaovana ny tena fanavaozana, araka ny tolona. Harovana ny […]

Diplaomasia : Tohivakana ny iraka ho amin’ny fitoniana

Tsy mbola milamina tanteraka sy azo antoka ny toe-draharaham-pirenena eto Mada­gasikara? Indrindra ny tontolo politika… Manoloana izany, tohivakana ny iraka avy any ivelany tonga eto Mada­ga­sikara, raha ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny voa­ray omaly. Eo, ohatra, ny delegasionin’ny Firenena mi­kambana (ONU), notarihin’ny tale lefitry ny sampandraharahan’ny ONU misahana […]

Banja malalaka

  Mampiaiky volana ny herin’ny facebook! Tena zary kianja filalaovan’ny mpiserasera eto Madagasikara ilay izy. Banja malalaka ampy hifanandrinan’ny samy mahery. Na mpitondra na mpanohitra samy mitondra ny lohany. Tsy ahitana taratra izay faharefoana izany mihitsy. Na iza na iza mampiranty toa tampim-pahaizana sy tsy kasi­han’ota izany. Izay mivoaka babany […]

Filoham-panjakana Randrianirina Michaël : « Tsy voninahitra lanjaina fotsiny ny galona jeneraly »

Niatrika ny fanolorana faneva ho an’ireo manamboninahitra jeneraly, teny Ivato, ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ny Foloalindahy, tamin’izany. Niantso ireo manamboninahitra jeneraly ny Filo­ham-panjakana tamin’ ny lahateniny mba hitodika bebe kokoa amin’ny vahoaka sy hitondra tamberin’andrai­kitra ho an’ny firenena. Nohitsiny fa mitaky fitondran-tena tsy […]