Auteur/autrice : Adnews

Volley – 50 taona : Nifanotrona tamin-dRaharima­lala Léa ny mpitia ny taranja

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa, filohan’ny federasionina malagasy, teo amin’ny tontolon’ny volley ball. Lalao sy fifampizarana ary fihaonana tamin’ireo ni­ara-nilalao sy niara-lehibe tamin’i Léa no nanamarihana ity famaranana ny fankalazana ity, nandritra ny telo andro. Nifanotrona taminy ireo […]

DAKA AN-JORONY: Sao ho varimba­rian’ny lavitra

Mitana ny sain’ny mpanara-baovao indray ankehitriny ny amin’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara. Na efa nanambara aza ny fanjakana fa havaozina ny fifanarahana amin’ilay frantsay teknisianina, tsy mbola tena mazava ny sori-dalana. Mifamahofaho be ny zava-misy satria any amin’ ny karama no itoeran’ny olana, amin’izao fotoana izao. Toa tsy manaiky ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Manan-danja ny fizahantany noho izy mifandray amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, asa ta­nana ary kolontsaina izay mampidi-bola sy manome asa maro samihafa ny malagasy. Sehatra stratejika izy ary laharam-pahamehana amin’ny fampandrosona ny firenana indrindra amin’ny fampahafantarana ny hakanton’ny Nosy malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nifantoka tamin’ny fandrosoan’ny tetikasa Volobe, […]

Fanaingana ara-toekarena: Mandeha ny dinika any amin’ny faritra

Mitohy any amin’ny faritra ny dinika ho fanaingana ny toekarena, taorian’ny fanombohana teny amin’ny CCI Ivato, ny alatsinainy 19 janoary teo. Dinika iarahan’ny fanja­kana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Tanjona ny hamaritana ireo rojom-pihariana stratejika, ny hamantarana sy hamakafakana ny […]

Seranan-tsambo : Vita ny 60% ny asa ao Toamasina

Nitsidika ny seranan-tsambon’i Toamasina ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël nandritra ny dia nataony tany an-toerana, ny sabotsy teo. Man­droso ny asa sy ny fanitarana ny seranan-tsambo. Anke­hi­triny, manodidina ny 60% ny asa no efa vita. Nilaza ihany koa ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara fa “manohana […]