Auteur/autrice : Adnews

Fanamaitsoana ny tontolo : Namboly zana-kazo ny Fivoi

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka sy teny Masikamalona, distri­kan’Arivonimamo, ny antoko politika Fivoi sy ny fikambanana Fivoarana, ny sabotsy teo. Nahatratra 15000 isa fototra ireo zana-kazo novolena teny an-toerana. Nahitana karazan-kazo maro toy ny kininina sy ny kesika izany. Tanjona ny hanamaitsoana an’i Madaga­sikara mba ho lasa Nosy maitso indray. “Miainga […]

INDRAY MIJERY

Momba ny tatitra mahakasika ny valanaretina Mpox eto amintsika ho an’ny 23 janoary, misy tranga ahina vaovao 16 sy tranga voamarina 16 izay niseho tany Mahajanga avokoa ireo voamarina. Voalazan’ny profesora Mamy Randria fa mahatratra 449 ny tranga rehetra hatramin’ny 23 janoary. 289 no ahina raha 160 no voamarina. Ny […]

Tao anatin’ny roa volana niasana: 6 223 ny pasipaoro navoaka ka nampidi-bola 1 382 370 000 Ar

Tao anatin’izay roa volana nitsanganan’ny governemantan’ny Fanavaozana izay, nihetsika avokoa ireo rantsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ireo polisim-pirenena manerana ny Nosy. Nisy ny vokatra azo. Ho an’ny lafiny fampandriana fahalemana, na­nao ny ezaka ny polisim-pirenena manerana an’i Madagasikara nahafahana nampihena ireo karazana fandikan-dalàna mifandraika amin’ny tsy fandriampahalemana. Amin’ireo raharaha nahazoana fitarainana […]

TSELATRA

Fiara Sprinter iray tra-doza tany Behenjy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Olona efatra naratra vokatr’izany, ary nentina avy hatrany eo anivon’ny toeram-pitsaboana Ambatolampy izy ireo. Niainga tany Vohipeno io fiara mpitatitra io. Izay nitondra fianakaviana hamonjy fahoriana hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nandeha mafy ny fiara ary vaky kodiarana tampoka ka nitarika ta­min’ny […]

67 Ha: Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisy

Nisehoana fifandonana ma­hery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny polisy avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) Tsaralalana, ny sabotsy maraina, tetsy 67 Ha, akaikin’ny fiantsonan’ny fiara zotra 119. Jiolahy miisa telo maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Poa-basy maro no henon’ny mponina nandritra ny fotoana vitsy […]