Lehilahy iray 35 taona, maty nananton-tena tamin’ny tady tetsy Ankazomanga atsimo, ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy ary nilaza ny handeha hamonjy toeram-pivoahana tamin’ny 9 ora alina. Tsy niverina intsony anefa izy ary nivoaka nitady azy ny reniny. « Nihidy be ny toearam-pivoahana ary nandeha nitady azy hatrany […]
Auteur/autrice : Adnews
Horohorontany teto Antananarivo: Nandrodana trano sy nandratra ankizy
Nahatratra 5,6 amin’ny maridrefy Richter, naharitra 5 segodra ny horohorontany nitranga teto Antananarivo, afakomaly. Mafimafy ny fihozongozonana ka nisy ny trano nirondana sy nitriatra. Nisy ankizivavikely dimy taona, naratra tao Avaratsena, Soavinandriana. Nitrangana horohorontany mahery vaika teto Madagasikara, ny sabotsy atoandro lasa teo tamin’ny 11 ora sy 32 minitra. Tany […]
ILAY SEDERA
Asa fanaovan-gazety : Natsangana ny komity hisolo ny OJM
Natsangana, omaly, ny komity vonjimaika hisolo toerana ny Holafitry ny mpanao gazety (CTOJM), taorian’ny nahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo birao. Najoro izany hialana amin’ny fahabangan-toerana. Miisa 18 ireo fikambanana mpanao gazety nivory nanapaka izany. Hiantoka ny hitohizan’ny asa ny CTOJM mandra-pahatongan’ny fifidianana. Tapitra rahateo ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny OJM. Nambaran’ireo nivory tamin’izany fa natsangana io […]
Concert classique de midi : Hiaka-tsehatra ny AMI Choir
Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-165 ny « Concert classique de midi ». Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely ny AMI Choir, ny talata 27 janoary, manomboka amin’ny 1 ora atoandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum ho fampahalalana sy fampitiavana ary fampivelarana ny mozika klasika. Anisan’ny […]




