Nitohy tany Toamasina ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny momba ny fitantanana ny firenena. «Avelao hiasa aloha ny mpitondra fa hotsaraintsika amin’ ny asany. Efa nisy asa maromaro vita tao anatin’ny roa volana fa mbola betsaka koa ny miandry », hoy izy. Anisan’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Taona 2026 – SBG: Hosantarina amin’ny « Asaramanitra bagasy »
Mitohy ny ezaka efa natao ho fampiroboroboana ny bagasy. Fantatra fa ny sabotsy 7 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, no hifamotoana ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola ny Sehatra BaGasy (SBG). Fotoana hanatanterahina ny « Asaramanitra bagasy » na ilay fihaonana voalohany eo amin’ny samy mpitia bagasy. Ankoatra […]
Fikarakarana fampisehoana: Manolo-tanana ny Synops ny minisitera
Fifankalozan-kevitra eo amin’ny raiamandreny sy zanaka. Izay no nitondrana ny dinidinika teo amin’ny biraon’ny sendikan’ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana (Synops) sy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, ny alarobia teo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fitsidihana ara-pomba fifanajana, narahina fifampirarian-tsoa noho ny taona vaovao no tena natao. […]
INDRAY MIJERY
Manoloana ny valanaretina Mpox, efa miasa ireo Centre de traitement et d’isolement (CTI) miisa dimy eto Analamanga ary efa mandray an-tanana maimaimpoana ireo marary. Misy koa ireo tranga ahina izay ahiboka hiarovana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina mandra-piandry ny valin’ny fitiliana. Eny amin’ny hopitaly Andohatapenaka, Itaosy, Anosiavaratra, Bongatsara ary Anosiala no […]
Fitantanana loza : Zava-dehibe ny fampielezana ny fanairana mialoha
Hifarana anio ny atrikasa nasionaly momba ny fampielezana ny fanairana mialoha amin’ny alalan’ny finday nokarakarain’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) nanomboka ny 19 janoary lasa teo. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetipanorona maneran-tany “Early Warnings for All (EW4All)”, izany ka andry fahatelo ny mifantoka amin’ny […]




