Auteur/autrice : Adnews

Vakinankaratra : Maro ny fotodrafitrasa vita

Maro sahady ny fiovana amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana any amin’ny faritra Vakinankaratra tao anatin’izay roa volana nitantanan’ny minisitra Rasatarimanana José Nirina izay. Nataony laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Miisa 12 ny Fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE) notsidihin’ny teknisian’ny Fitantanam-paritry ny Fambo­lena sy ny fiompiana (DRAE) Vakinankaratra. Mirefy 398 km ny […]

Olan’ny famatsiana jiro sy rano: Nosoloina miaramila i Ron Weiss

Nesorin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama tsy ho tale jeneraly intsony i Ron Weiss. Nosoloina ny jeneraly Rasolofomanana Hajatiana izy. Vita omaly ny fifamindram-pitantanana. Nahazo tale jeneraly vao­vao, noho izany, ny orinasa Jirama, araka ny ta­paky ny filankevi-pitantanana. Injeniera ny harena an-ki­bon’ny tany nianatra tao amin’ny Seko­ly ambony Politekni­ka, ny Jly Rasolomanana Hajatiana. […]

Orange Madagascar: Hanome fahafahana mijery Can mivantana

Hampientanentana ny fitiavam-baolina ny Orange Madagascar. Tafiditra anatin’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), mivantana sy amin’ny endrika niomerika. Nanome alalana ireo mpanohana an-tapitrisa hanaraka ireo fifaninanana afrikanina lehibe indrindra manerana ny kaontinanta izy ireo. Nametraka fanavaozana toy ny Max It Digital Fan Zone, hahafahan’ireo mpankafy manaraka ny […]

TARATRY ny KANTO

Hisy efatra ny “Star Tour” amin’ity taona 2026 ity. Io no anisan’ny vaovao lehibe nampitain’ny tomponandraikitry ny hetsika, nandritra ny fihaonana sady fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly, niaraka tamin’ ny mpanao gazety. Antsirabe toy ny maha­zatra no manokatra azy, amin’ny Paka. Manaraka avy eo Antananarivo, ny volana jona. I […]

Toetr’andro : Mihaodihaody ny rivodoza

Miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina ilay rivo­doza Dudzai. Omaly, mbola any amin’ny 3 100 km atsina­nan’ny morontsirak’I Madagasikara no nisy azy. Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ity rivodoza ity ao anatin’ny herinandro. Arahi-maso hatrany nefa ny […]