Auteur/autrice : Adnews

Tsipy kanetibe: Lasa namonjy ny kliobany any France ry Zigle sy Sedrick

Nanainga ny alarobia lasa teo, Rakotondrainibe Jean François Daniel (Zigle) sy Rakotoarisoa Yves Sedrick, mpilalao tsipy kanetibe. Nihazo an’i France ary hamonjy ny Décines, klioba vaovao hilalaovan’izy mirahalahy. Noho ny vokatra tsara azon’izy ireo, nandritra ireo “Tour­noi” maro loko notanterahina tany France, tamin’ny taon-dasa no naharesy lahatra ity klioba frantsay […]

Ampahefa-dalan’ny CAN 2025: Hisantatra ny lalao i Senegal sy i Mali

Adin’ny samy goavana ! Hotanterahina anio, ny ampahefa-dalana roa voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025), tanterahina any Maroc. Tsontsorimamba isarahana avokoa ny fihaonana fa tsy misy kajikajy intsony. Hisantatra izany, ny Lion de la Teranga Senegal sy ny Aigle de Mali. Mipetraka ho ekipa “favori” […]

Karate-Taona 2026 : Nosantarina tamin’ny fampivondronana

Fampivondronana ireo atleta hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly no nisantaran’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, ny tao-pikatrohana 2026, teny Ambatobe, omaly. Mpikatroka 59 no efa tonga nivondrona ary mbola misy ireo andrasana. Haharitra 4 andro ny fampivondronana ireto mpikatroka eo anivon’ny taranja Karate ireto, amin’ity andiany voalohany ity, hahitana sokajy […]

TSELATRA

Manamboninahitra iray, ao amin’ny Tafika an-tanety, antsoina hoe : Rakotomalala Jean Ernest, karo­hin’ny zandary fatratra amin’izao fotoana izao. Antony ha­nenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fivadiham-pitokisana. Marihina fa misesisesy ny fikarohana olona ataon’ny zandary tato ho ato. Hita omaly, ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy nanjavona tampoka tao anaty ranon’i Mandritsara, ny ny […]

Niady ravin-jirofo : Maty nofirainy antsy ny rahalahiny

Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimaria ny lehilahy iray namono nahafaty ny rahalahiny, tao amin’ny tanànan’Ante­nina Sahalava, kaominina Ampa­simbe Manasatrana, afakomaly. Nifanaraka andro vitsivitsy lasa talohan’ny fety ireo mpirahalahy ireo. Nivaro­tra ravin-jirofo tamin’io mpiray tampo aminy io, araka izany, ny lehilahy iray. Mitetina 70 000 Ar ny vidin’ny entana. “Nanome […]