Anisan’ny fihaonana goavana andrasan’ny mpitia baolina kitra maneran-tany, indrindra ny vahoaka afrikanina, ny fifandonan’ny Seleçao Brésil sy ny Lions de l’Atlas avy atsy Maroc. Amin’ny 1 ora maraina eto Madagasikara no handeha ny lalao. Miditra ao anatin’ny andro fahatelo sahady ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja baolina kitra, […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Nisy ny fikaonandohan’ireo mpiantsehatra voafantina eo anivon’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara, tamin’ity herinandro ity. Nahakasika ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny famolavolana sy fanoratana ary fanatanterahana ny paikady maharitra ny lahadinika tamin’izany. Tanterahina anio ny Diaben’ny firaisankina iarahan’ny olom-pirenena rehetra amin’ireo olona manana toe-tena varira izay tarihin’ny fikambanana […]
Sampana Vonjy aina HJRA : Nahazo fitaovana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa
Nanome tohana, fitaovana, ho an’ny sampandraharaha Vonjy aina eo anivon’ny CHU-JRA Ampefiloha ny ONG La Chaîne de l’Espoir niaraka tamin’ny ambasadaorin’i Frantsa, afakomaly. Nahitana «défibrillateur», «respirateurs» ary fitaovana ara-pitsaboana isan-karazany izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary miditra eny an-toerana ireo fanomezana. « Miompana amin’ny fanatsarana ny […]
FIKAROHANA ASA : Omena torolalana ny tanora
Tontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Gare Soarano, ny andiany fahafolo amin’ny “Forum de l’orientation et de l’employabilité” na fandalinana ny safidy sy ny fikarohana asa. Hetsika fanao isan-taona, karakarain’ny fandaharanasa Sesam ho an’ny tanora maniry ny hiditra amin’ny sehatry ny asa izy ity. Mahatratra 40 mahery eo ireo orinasa […]
Ambovombe Androy : Nanamboatra kilalao ho an’ny ankizy ny skoto
Nambaran’ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana MICS 2025 fa 20% amin’ny zaza 2 ka hatramin’ny 4 taona ihany no misitraka hetsika famohana ny vavahadin-tsaina mifanaraka amin’ny taonany. Miaritra fomba fifehezana hentitra kosa ny 88%. Taona fahatelo nanamarihin’i Madagasikara ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny lalao ity taona ity. “Arovantsika ny lalao, […]




