Auteur/autrice : Adnews

Fisavana tetsy Tsarasaotra : “Orinasa efa nogiazana”, hoy ny polisy

Nanaovan’ny mpitandro filaminana fidinana ifotony ny orinasa sinoa iray tetsy Tsarasoatra, ny sabotsy maraina teo. Naratra, nandritra izany, ny mpiambina sy ny mpiasa maromaro tao aminy. “Nihanika tamboho ireo andian’olona ireo rehefa tsy navela hiditra”, hoy ireo nanatri-maso. « Tsy navela hiditra tao anatiny anefa ireo mpitandro filaminana tonga nanao ny […]

Tovolahy mamon-drongony : Maty notsindrominy antsy ny renikeliny

Noleran’ny zana-badiny tamin’ny antsy ny renikeliny, afakomaly, tany Brickaville. Norobainy, tamin’izany, ny vola sy volamena tao an-trano. Efa nandrahona ny hamono ity ramatoa ity ho faty ny nahavanon-doza rehefa mandray zava-mahadomelina. Renim-pianakaviana iray 55 taona, maty tsy tra-drano noleran’ny zana-badiny tamin’ny antsy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambinaniniony, disitri­kan’­ i Brickaville, […]

“Ndao isika hilalao” : Fanatanjahantena arahina fialamboly

Ao anatin’izao volana jona, natokana ho an’ny ankizy izao, manomana hetsika iray itambaran’ny fanatanjahantena sy fialamboly antsoina hoe: “Ndao isika hilalao” ny Taches d’huile. Fikambanana ivondronan’ireo mpianatra fahiny tao amin’ny Academie nationale des sports (ANS). Nandritra ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny Ampefiloha, ny alakamisy lasa teo, no […]

Pureplay Football League : Klioba efatra hiady ny lelavola iray hetsy dolara

Hifampitaona etsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha ny Malagasy mpankafy baolina kitra maro hijery ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara (PFL). Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara na Pureplay Football League (PFL). Klioba efatra no hifaninana amin’izany […]