Hiatrika lalao 3 avy hatrany ny Ankoay ny volana febroary sy marsa 2026. Lalao izay hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Basikety 5×5, eo amin’ny sokajy lehilahy. Taona anisan’ny manan-danja ho an’ny Ankoay ny taona 2026, izay hanatanterahan’izy ireo lalao maromaro hiadiana ny tapakila ho an’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Nitsidika an’i Manakara, ny herinandro teo, ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nanolotra fitaovana hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny faritra. Kodiarandroa miisa 100 ho an’ireo lehiben’ny CSB, “groupe électrogène” ho an’ny hopitaly “CHRR Manakara” ary fiara tsy mataho-dalana ho an’ ny talem-paritry ny fahasalamana. […]
Radio Oasis : Tsangam-baton’ny faha-25 taona ny Studio vaovao
25 taona ny radio Oasis Tana ary nomarihina ny faran’ ny herinandro lasa teo, teny Soamanandrariny, ny fanakatonana ny fankalazana. Radio miankina amin’ny fiangonana advantista ny radio Oasis ary mivoy ny ara-panahy, ara-tsaina sy ara-batana ary ara-piarahamonina. Ny fandaharana vokarina rehetra sy ny fanentanana samihafa dia mifandraika amin’ireo avokoa. Tanjon’ny […]
Fampiananarana ambony : Nijery ny fametrahana « panneaux solaires »
Nijery ifotony ny fizotry ny asa fametrahana “panneaux solaires” avy amin’ny fitondram-panjakana tao amin’ny oniversiten’i Toliara ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy tamin’ity herinandro ity, nandritra ny fandalovany ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hanamafisana ny fahaleovantenan’ny oniversite amin’ny lafiny […]
ONG Ketsa : Misitraka “Herinandron’ny fahasalamana” ny mponin’i Vontovorona
Mahasarika olona maro ny hetsika ara-pahasalamana eny Vontovorona. Ahitana fizahana maso, fijerena nify ary fizahana diabeta izany. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Vontovorona, ny sabotsy teo, ny “Herinandron’ny fahasalamana”. Hetsika karakarain’ny ONG Ketsa, iarahany miasa amin’ny Lions club International Analamanga. Nanomboka ny 13 hatramin’ny 18 desambra hoavy izao ny hetsika. […]




