Maty vokatry ny tifitra nataon’ny mpandroba azy ny vehivavy zanaky ny tompon-trano tao amin’ny tokantrano iray tao Ambohidralamanga, distrikan’i Fandriana, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Niditra an-keriny tao an-trano ny mpandroba. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireto farany. Nanery ny tompon-trano hamoaka vola. Tsy nisy alaharo, nanambana fitaovam-piadiana avy hatrany tamin’ireo olona […]
Auteur/autrice : Adnews
Vono olona mampiahiahy : Vehivavy hita faty tao ambany fandriana
Hita faty tao ambany fandriana, tany Ambohimandamina, vakim-paritra voalohany, Mahajanga, afakomaly, ny vehivavy iray 28 taona. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy io satria nafatotr’ireo tsy mataho-tody tamin’ny tady ny tongony aman-tanany. Nofatorana harona plastika koa ny lohany ary natao tao ambany fandriana ny nofo mangatsiakany. Nahita io vatana mangatsiaka […]
Lalam-pirenena fahefatra: Kamiao sy 4X4 nilatsaka tany anaty hantsana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny RN4, tao Antananarivokely, Maevatanàna, omaly. Fiara roa potika, maro ireo naratra. Tsy mbola voafaritra ny isan’ny namoy ny ainy, hatreto. Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany Antananarivokely, Maevatanàna, omaly. Nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny ny kamiao iray sy fiara 4×4. Noho ny hamafin’ny fifandonana, samy latsaka tany […]




