Auteur/autrice : Adnews

Behoririka : Ankizivavikely maty voahitsaky ny taxi-be

Voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka tetsy Behoririka, omaly tolakandro, ny ankizivavy 8 taona. Novonjena tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ ny lalana Razafindramanta, Behoririka, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 15 minitra tolakandro. Niseho teo akaikin’ ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka […]

“Africa Cup 3×3”: Notoloran’ny Yas 52 000 000 Ar ny Ankoay

Noraisin’ny Yas Madaga­sikara, teny Andraharo, oma­ly, ny mpilalaon’ny Ankoay sy ireo Staff teknika ary ny mpanazatra, taorian’ny nandrombahan’i Madagasikara ny tompondakan’i Afrika basikety 3×3, sokajy lehilahy sy vehivavy. Fifaninanana notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. “Chèque cadeau” 52 000 000 Ariary no natolotry ny Yas ho […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny AS Valahara Vakinankaratra no nanolo ny toeran’ny CFFA Andoharanofotsy amin’ny fifanintsanana « Tournoi des grands élites », any Antsi­rabe. Efa nanomboka omaly ny fifaninanana. Tsiahivina fa nataon’ny mpikarakara hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL) », ity fifanintsanana ity. Ankoatra ny AS Valahara, ny Disciples FC sy ny Fosa Juniors ary […]

Tsipy kanetibe : Haverina rahampitso ny fifidianana

Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny fifidianana ho filohan’ny ligy, taranja tsipy kanetibe, teto Analamanga sy tany Ma­tsiatra Ambony, ny sabotsy lasa teo, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy Ampefiloha, omaly, Ramanandraibe Olivier Solondrazana, filohan’ny Ceni tsipy kanetibe. Noha­mafisiny fa hajaina ny lalàna velona mahakasika ny fifidianana, araka ny voarakitra ao anatin’ny sata […]