Tsy mbola tonga eo am-pelantanan’ny klioba Elgeco Plus ny vola tokony ho azony amin’ny maha tompondakan’i Madagasikara sy tompon’ny amboara nasionaly azy ireo. Raha tsiahivina, nanao pao-droa ity ekipan’Analamanga ity. Izy ihany koa no nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Hatramin’ny omaly! Nilaza ny loharanom-baovao […]
Auteur/autrice : Adnews
Gen Y: “Tokony hajaina ny hetahetan’ny mpitolona”
Nanatanteraka fivoriambe tetsy Mahamasina ny mpikambana ao amin’ny Gen Y, ny sabotsy lasa teo. Mametraka ahiahy ireo mpikambana manoloana ny zava-misy ankehitriny, indrindra ny mahakasika ny fanovana hatao eto amin’ny firenena. “Tsy voahaja ny hetahetam-bahoaka, tsy mitovy tamin’ny fitakiana sy ny hetahetan’ny mpitolona teny an-kianja ny zava-misy amin’izao”, hoy izy […]
Ady amin’ny herisetra: Misongadina ny ezaka vitan’ny fiarahamonim-pirenena
Tafiditra ao anatin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra ny hetsika notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina tetsy Antaninarenina, omaly. Nisy ny fanentanana sy fanamafisana ny hetsika ataon’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny ady amin’ny herisetra nataon’ny minisitry ny Mponina, Raharinirina Sidonie. Anisan’ny misehatra ami’izany ny fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpiara-miombon’antoka. […]
INDRAY MIJERY
Nomena fahalalana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa 20 avy amin’ny fikambanana sy tanora manana fahasembanana. Natao ho an’ireo vonona hisehatra eny anivon’ny fiarahamonina hanampy ireo mpiara-belona aminy amin’ireo loza mety hitranga ho an’ny faritra Boeny izany. Naharitra telo andro ny fiofanana. Lohahevitra nosafidina […]
Firaisana ara-nofo aloha loatra : Ilana vahaolana hisorohana ny vohoka tsy niriana
Ilaina ny fahatongavan-tsaina eo amin’ny tanora, fiarahamonina, fitondrana satria efa tsy azo lavina fa zava-misy ny firosoan’ny tanora amin’ny firaisana ara-nofo. Ilaina ny vahaolana iraisana ho an’ny tanora hisorohana ny vohoka tsy niriana, ny aretina sy ny fahasarotana eo am-piterahana. Izay no tanjon’ny adihevitra notontosaina teto Antananarivo. Nikarakara adihevitra iarahana […]




