Na dia teo aza ny vaovao naelin’ny Federasionina gineanina (FeGuiFut), ny zoma lasa teo, fa tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’izy ireo ny hifandona amin’ny Barea. Fantatra omaly ihany, fa i Madagasikara sy i Kenya, no hifanandrina aminy. “Saika ratsy”! Nanitsy ny vaovao navoakany tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo ihany, ny Federasiona gineanina […]
Auteur/autrice : Adnews
BNGRC : Maika ny fiatrehana ny fahavaratra
Natao omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC). « Maika ny fiatrehana ny fahavaratra izay efa manomboka amin’izao fotoana », hoy ny tele jeneraly vaovao, Ramanantsoa Gabriel. Heverina ho 3 ny rivodoza handalo eto Madagasikara ary efa miomana amin’izany ny BNGRC. […]
Mpianatra ho dokotera : “Zéro service” eny amin’ny hopitaly
Fampiakarana ny tetibolan’ny fahasalamam-bahoaka ho 15% no tena itoloman’ireo mpianatra ho dokotera. Mila voasonia ny fifanarahana izay efa voarafitra ary tanterahina. Mila ampiakarina 15% ny tetibola ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, hoy ireo mpianatra ho dokotera eny amin’ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy. Nanambatra feo izy ireo, omaly, nanao diabe niala […]
VAOVAO TAMBATRA
Mikatona avokoa ny masoivohon’ny Jirama manerana ny Nosy, manomboka androany. Miroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasa. Tsy mandray baiko avy amin’ireo mpitantana ka hampihatra ny « service zero » izy ireo. Tsy mankasitraka ny sata vaovaon’ny orinasa ny mpiasa ka manamafy ny fanafoanana izany sy ny fanalana ny tale jeneraly, Ron Weiss. […]
Sekoly Maarif: Namboly zana-kazo miisa 177
Aseho amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny fandraisana andraikitra ho fiarovana ny tontolo iainana ao amin’ny sekoly iraisam-pirenena Maarif Talatamaty. Nohazavain-dramatoa Irmak Tuncer, sekretera fahatelo ao amin’ny masoivohon’i Torkia eto Antananarivo, fa hetsika iarahan’ny masoivohon’i Torkia sy ny mpianatry ny sekoly Maarif manatanteraka, anehoana fa manomboka amin’ny fahazazany dia efa beazina ny […]




