Vaksiny miaro amin’ny poliomelita: 104,1% ny tahan’ny fandrakofana nandritra ny fihodinana voalohany

82% ny tahan’ny zaza nahazo ny VP1 (vaksiny miaro amin’ny polimelita), araka ny antontanisa ny volana jona lasa teo, raha 90% ny tanjona napetraka. Ilaina ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny mahazatra, indrindra ny fitadiavana ireo zaza mbola tsy nahazo vaksiny sy ireo tsy nahafeno ny fatra tokony ho azony.

Tamin’ity taona ity, tranga enina mifandraika amin’ ny CVDPV1 na «fivezivezen’ny poliovirus de type 1», iray amin’ny tsimokaretina mahatonga ny lefakozatra no voamarina teto Madagasikara, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Iray tamin’ireo ankizy voamarina fa voan’io aretina io no namoy ny ainy. Ankizy efatra hafa kosa nahitana ny poliovirus tamin’ny alalan’ny fifampikasohana teny anivon’ny fiarahamonina. Manoloana izany, nandray fepetra ny minisiteran’ny Fa­hasalamam-bahoaka hampihenana ny fiparitahan’ny tsimokaretina. Nisy ny fanaovam-baksiny ho an’ny ankizy tany amin’ny faritra dimy voakasika izany : Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Ihorombe. Notontosaina ny 11 ka hatramin’ny 14 aogositra lasa teo ny fihodinana voalohany ho an’ireo faritra ireo. Miisa 1 174 264 ny ankizy vao teraka ka hatramin’ny 59 volana, izay nokendrena manokana ho an’ity hetsika fanaovam-baksiny hiarovana amin’ny poliomelita ity, ahitana mponina 6 523 694.
Tsara ny vokatra azo satria miisa 1 222 196 ireo ankizy nahazo vaksiny VPO. Nahatratra 104,1% ny tahan’
ny fandrakofana, raha 95% ny tanjona. Nisy ankizy 42 661 isa tsy mbola nahazo vaksiny na iray aza (zero dose) no nahazo vaksiny VPO nandritra izany. Feno sy voaray ny 99,2% ny tatitra momba ny fanatanterahana ny hetsika.
Mbola hitohy ny ezaka hahazoana antoka fa voaaro amin’ny poliomelita ny ankizy. Hatao iray volana aorian’ny fihodinana voalohany ny fa­naovam-baksiny faharoa. Ny fihodinana fahatelo izay hampidirina ao anatin’ny hetsika fanaovam-baksiny fanaraha-maso ny kitrotro, hotanterahina ny volana oktobra ho avy izao.

Vonjy

Partager sur: