Notontosaina omaly, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny fifaninanana taranja bisikileta, RN1 milalao. Mbola nisongadina tamin’ity indray i Mohamed Houlder, solontenan’i Madagasikara any amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sady milalao ao amin’ny klioba COSPN. Araka ny fanazavana azo, nataony hanomanana sy hiatrehana ny fifaninanana afrikanina ny lalao tahaka itony […]
Auteur/autrice : Adnews
DAKA AN-JORONY: Aza fatra mpandefitra toa mpivaro-tantely
Toy ny sangodim-panina mihitsy amin’izao fotoana, ny manaraka ny tantaran’ilay volaben’ny mpilalao Barea Chan. Milamina, tsy milamina. Tsy fantatra intsony izay marina amin’izy ity. Mifanipaka toa valala an-karona ireo mpilalao. Samy manana ny filazany ry zalahy. Ao ireo manambara fa efa milamina ny amin’iny ka aleo tsy asiana resabe intsony. […]
Tsipy kanetibe – «Mondiaux Juniors 2025»: Tompondaka teo amin’ny olon-droa, lahy sy vavy, i Madagasikara
Nanandratra avo ny voninahi-pirenena indray ny tsipy kanetibe nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, Juniors 2025. Nandrombaka ny medaly volamena ary voalohany teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, i Madagasikara. Nifarana omaly, tany Isla Cristina Espagne, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy […]
Resaka “Prize Money”: Manome 72 ora ny FMF ny Barea zokiny hamahafa ny olana
Vaky ny ady eo amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo Barea zokiny, Faneva Ima, Bolida, Abel Anicet, Voavy Paulin. Fe-potoana telo andro no omen’izy ireo ny rafitra federaly hanomezana ny ambin’ny vola. Nanao fanambarana mivantana tao amin’ny pejy facebook omaly, ireo mpilalao zokiny nandrafitra ny Barea, toa an-dry […]
Vita ny iraky ny Sadc : Andrasana ny fanapahan-kevitra
“Tsy mbola afa-manolotra ny tatitra feno ry zareo, fa mbola eo am-pamaranana an’izay. Maro ireo olona nihaonana. Mbola ao anatin’ny fandaminana sy fandrindra an’ireo vaovao voaangona ry zareo amin’izao.” Io ny fanazavan’ny sekretera jeneraliln’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, teny Iavoloha, afakomaly, ny amin’ny famaranan’ny iraky ny Sadc ny angom-baovao natao […]




