Auteur/autrice : Adnews

Mpanazatra Corentin Martins : Baraingo ny fitohizan’ny asa

Hifarana ny faran’ny volana janoary ho avy izao ny fifanarahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena Barean’i Ma­da­gasikara. Nilaza ny eo anivon’ny federasionina fa mbola hiankina amin’ny fitondram-panjakana ny mety hanavaozana ny fifanarahana na tsia. Notsiahivin’izy ireo fa ny fanjakana no […]

SOMBIM-BAOVAO

Raha tsy misy ny fiovana, hitohy ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena taranja baolina lavalava, « XXL Top 12 ». Tsara ny mampahatsiahy fa efa nandeha ny andro voalohan’ny fifaninanana. Mbola baraingo hatrany ny fiadiana ny amboara lehibe na ny “Super Coupe”, izay hifanandrinan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara sy […]

Cosafa, sokajy vehivavy : Handray anjara ny Barea Ladies

Anisan’ireo firenena hifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa 2025) ny Barea Ladies. Fifaninanana izay nahemotra ho amin’ny fiandohan’ny taona 2026, raha tanterahina isaky ny volana novambra izy ity, saingy noho ny tsy fahafahan’ireo firenena hampiantrano ny anton’ny fanemorana. Mbola eo am-piresahana […]

Tsipy kanetibe – «Mondiaux Jeunes» : Hiatrika ny ampahavalon-dalana ny Mada 1 sy Mada 2

Manohy ny diany mankany amin’ny dingana famaranana ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy Junior, lahy sy vavy miaraka. Ekipa malagasy roa no hiatrika ny ampahavalon-dalana, anio, hifandonana amin’i Tunisie 2 sy France 1. Hitohy anio, ao amin’ny Kianja Isla Cristina, ny fiadiana […]

ACE : Kely ny tetibola ho an’ny fikarohana

Tsy omena ny lanjany hatreto ny lafiny fikarohana ara-tsiansa. Raha ny nambaran’ny Fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka (ACE), zara raha ny 0,01% ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika monja no atokana ho an’ny asa fikarohana. Miisa 9 ny Foibem-pikarohana, ka 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana. […]