Auteur/autrice : Adnews

Mampiahiahy : Lehilahy hita faty teo amin’ny seranan-tsambo

Raim-pianakaviana iray sahabo ho 45 taona hitan’ny mpiasan’ny seranan-tsambo hamonjy asa vao maraina, ny talata faha-7 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy 30 mn, nitsirara mifanakaiky amin’ny tobin-tsolika iray ao Ampasimazava – Toamasina. Nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana, raha nanontany ireo rehetra nanatri-maso, mpivarotra sakafo masaka, mpiasan’ny […]

Seces: “Tsy hifampiresaka raha tsy misy fitoniana”

“Raha mbola misy ny famonoana an’ireo zanakay, mbola tsy hiroso amin’ny fifampiresahana aloha ny Seces”, hoy ny avy amin’ny sendikàn’ny mpam­pianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces), Andriamasinoro, teny Ankatso, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay ian­tsoana fifampidinihana. Nefa vonona amin’izany ny Seces, rehefa tonga amin’ny fitoniana sy tsy fikasihana an’ireo zanany. […]

Raharaham-pirenena : Manohana ny vahoaka ny Nonce apostolique

Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena koa ny eo anivon’ny Nonce apostolique, solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Tomasz Grysa. Nambarany tamin’ny sorona Masina fitokanana Sanctuaire Mb Terezin’i Jesoa Zaza­kely, tany Belo ambonin’i Tsiribihana fa anisan’ny miara-mizaka ireo mafy rehetra mihatra sy mahazo ny vahoaka eto amin’ny firenena koa ny eveka. « Anisan’ny […]

Praminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat : “Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro ny governemanta hijoro”

Andrasana fatratra amin’izao ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Hanao ahoana? Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, izany. “Ny governemanta hijoro eo dia governemanta misokatra amin’ny ankolafin-kery maro sy ny sehatra iombonana amin’ny fanarenana ary ho antoka amin’ny fanajana ny rafitra demokratika sy ny zon’ny […]

INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fiofanana “Fijery Hafa” ao amin’ny distrikan’i Fianaran­tsoa. Maro ireo mpiofana mandray anjara amin’ity andiany ity, mifantoka amin’ny lohahevitra fahaiza-mi­tarika, fananganana orinasa, fampivoarana ny tena ary ny informatika. Nisongadina nandritra ny fiofanana mom­ba ny fananganana orinasa ny fandraisana anjaran’i Nelson, olona ma­nana fahasembanana ara-pahitana (jamba), izay […]