Mahatsiaro manana adidy ny vondron’ny vehivavy mpitarika manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Fandriampahalemana sy fifampiresahana no mila atao hisian’ny vahaolana mahomby, raha ny hevitr’izy ireo. Manamafy ny fandraisany andraikitra momba ny fitandrovana ny zon’olombelona, indrindra ny maha masina ny aina sy ny fahalalahana haneho hevitra ary ny fandraisan’ anjara […]
Auteur/autrice : Adnews
Aretina Alzheimer: Mitondra fikorontanana ny fitaizana marary
Anisan’ny toerana fitaizana ireo olona tratry ny aretina alzheimer ny fikambanana Masoandro Mody etsy Mahazoarivo. Nanazava izy ireo fa miteraka fikorontanana ho an’ny manodidina ny fikarakarana marary noho ny antony maro. Eo amin’ny ara-pihavanana, sarotra ny fifanajan’ny havana ny marary rehefa tsy hainy ny tokony hitondrana ny fikarakarana. Mitsara vilana […]
Vokatry ny savorovoro : Mihena ny vola miditra amin’ny mpiasa tena
Sahiran-tsaina ireo olona miasa tena ao anatin’izao toe-draharaha mafana eto an-dRenivohitra izao. Misy fiantraikany amin’ny fidiram-bolan’izy ireo ny savorovoro. Mitondra faisana vokatry ny savorovoro miseho amin’izao fotoana izao ireo mpanao asa tanana miahy tena, indrindra ny eto Antananarivo. Anisan’izany ireo mpanao volo sy mikoja ny endrika amam-bika. Nihena ny vola […]
TARATRY ny KANTO
Niverina an-tsehatra i Hantatiana. Hafaliana ny an’ireo mpankafy azy, satria dia nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny FPM Vatofehizoro tany Paris izy, ny faran’ny herinandro teo. Niray sehatra tamin’ny Kerobima Ankatso Monde, God’Swing ary Mandresy izy, nandritra izany. Porofo io fa mandroso fahasalamana i Hantatiana, na dia mbola sahirankirana […]
Fandriampahalemana : Hisy fifaninanana ara-javakanto ho an’ny tanora
Ny zon’olombelona no fototra tokony hananganana ny fandriampahalemana. Manodidina izany indrindra ny lohahevitra tiana hasongadina amin’ilay fifaninanana ara-javakanto ho an’ireo tanora 18 hatramin’ny 30 taona. Tafiditra anatin’ny tetikasa « Rary Aro Mada » izy ity. Mety avokoa na asa soratra na « podcast » na kanto hafa maneho ny lohahevitra no halefan’ireo tanora hifaninana. […]




