Mampahafantatra ny hopitalim-panjakana CHU HJRA fa efa misokatra ho an’ny rehetra ny Scanner ao an-toerana. Ao amin’ny sampandraharaha Imagerie médicale no misy izany fitaovana fitiliana izany ary efa mandeha tsara, araka ny fanazavana hatrany. Ahafahana manatanteraka fitiliana ara-pitsaboana, amin’ ny alalan’ny teknolojia maoderina, ka manamora ny fikarakarana sy ny fitsaboana […]
Auteur/autrice : Adnews
IFR: Faritany mizaka tena no vahaolana
Mitaky ny hametrahana ny faritany mizaka tena ny fikambanan’ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR) nandritra ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny boriborintany faharoa, ny faran’ny herinandro teo. Sady tsy fanjakana tokana no tsy fanjakana federalisma no takin’izy ireo fa faritany mizaka tena mihitsy. Tsy tokony hiandry ny fanapahan-kevitry ny fajakana foibe […]
Zoky Kaleba sy A. Ravaka: miantso ny handravonana ny disadisa
Manoloana ny savorovoro sy ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tenany manokana avy ireo mpitantana toa an’i Zoky Kaleba sy Andriantsiferana Ravaka, omaly, tetsy amin’ny Arkadia Analakely. Manao antso avo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ity taranja ity izy ireo mba hifanatona sy hifampiresaka ary handravona […]
Volley-Ball- Amboaran’i Madagasikara: nanjakan’ny klioban’Analamanga ny fifaninanana
Tontosa tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ireo sokajy U15, U21 lahy sy vavy. Nanjakan’ny ekipan’Analamanga ny fifaninanana. Raha ho an’ny U15, vehivavy, lasan’ny MVBC ny amboara, rehefa nandavo ny CRJS Atsinanana, tamin’ny seta 3 no ho 2 izy […]
Voavy Paulin: «Mila atao Malagasy ny mpanazatra ny Barea»
Na dia mbola tsy nivoaka aza ny anaran’ny mpanazatra sy ny mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena Barea, U23, efa manao antso sy mametraka arofanina ho an’ny Federasiona ny mpilalao teo aloha, toa an’i Voavy Paulin. Amin’ny faramparan’ny volana septambra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana Can U23 2027, hihaonana amin’i […]





