Tontosa tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ireo sokajy U15, U21 lahy sy vavy. Nanjakan’ny ekipan’Analamanga ny fifaninanana. Raha ho an’ny U15, vehivavy, lasan’ny MVBC ny amboara, rehefa nandavo ny CRJS Atsinanana, tamin’ny seta 3 no ho 2 izy ireo. Niady tanteraka ny fihaonana satria efa tany amin’ny seta fahadimy vao nahita ny fandresena ny MVBC. Marihina fa nitarika tamin’ny seta 2 no ho 0 ny tovovavin’Atsinanana, (25-18;25-22.) Nihevitra ny rehetra teo fa hibata ny amboara ny CRJS, saingy nifoha tamin’ny torimasony ny MVBC ka lasan’izy ireo avokoa ny seta telo farany, (17-25;22-25;13-15). Ho an’ny U15 lehilahy, izay adin’ny samy zandary (GNVB), norombahin’ny GNVB1 ny medaly volamena, rehefa nandavo ny GNVB 2, tamin’ny seta mazava, 3 no ho 0, (25-10;26-24;25-12) izy ireo. Teo amin’ny U21, vehivavy indray, mbola tamin’ny seta 3 no ho 0(26-24;25-20;25-17) ihany koa ny nandresen’ny Bi’as, ny GNVB. Raha ny lehilahy indray, ny ASI Itaosy no tompon’ny amboara rehefa nanilika ny GNVB tamin’ny seta 3 no ho 0, (25-20;25-18;25-19). Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina ny volana oktobra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy “séniors” ary ny sabotsy ho avy izao kosa ny an’ny diviziona faharoa.
Fitia Randria




