Manoloana ny savorovoro sy ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tenany manokana avy ireo mpitantana toa an’i Zoky Kaleba sy Andriantsiferana Ravaka, omaly, tetsy amin’ny Arkadia Analakely. Manao antso avo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ity taranja ity izy ireo mba hifanatona sy hifampiresaka ary handravona ny disadisa sy ny olana misy.
Nambaran’izy mirahalahy ireto fa efa an-taonany maro izy ireo no nilofo sy niaina tao anatin’ity taranja ity ka manahy ny hoavin’izany izy ireo, ankehitriny, raha mitohy izao savorovoro izao.
Notsindrin’izy ireo ihany koa fa raha misy ny olana, dia tokony ho ambara amin’ireo lehibe avy hatrany izany mba hitadiavana vahaolana fa tsy kobonina irery any, ka rehefa afaka fotoana maro vao haboraka.
Nomarihin’izy mirahalahy fa amin’ny anaran’ny tenan’izy ireo manokana no nanaovany ny fanambarana fa tsy amin’ny andraikitra izay sahanin’izy ireo, amin’ny tsipy kanetibe malagasy.
F. R




