Anisan’ireo niatrika sy nitarika ny hetsika fanadiovana faobe tao an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra, Antsirabe, ny Mpanolotsaina avon’ny Fanaovana ny Repoblika, ny Kly Rampanarivo Thierry sy ny minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana, ary ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Ravaonirina Nathalie Sébastienne. Nambaran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Fanaovana ny Repoblika […]
Auteur/autrice : Adnews
Oniversiten’i Vakinankaratra: famoahana ireo mpianatra nahazo diplaoma
Notanterahina tao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra, Antsirabe, ny zoma lasa teo, ny famoahana ireo mpianatra nahazo ny diplaoma voalohany nomen’ity sekoly ambaratonga ambony ity. Tonga nanatrika izany, sady nanome voninahitra ny lanonana, ny Fiadidiana ny Fanavaozana, tamin’ny alalan’ny Mpanolotsaina avo, ny Kly Rampanarivo. Fantatra fa ny Oniversiten’i Vakinankaratra irery no Oniversitem-panjakana […]
Fanampiana ny traboina: nanolotra vary sy fanafody ny ejypsianina
Nanolotra fanampiana, ahitana sakafo sy fanafody vita avy any Egypta, ny Repoblika arabo-egyptianina, omaly, teny Andrainarivo. Tamin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika, Rabab Said Abdou Abdelhadi, no nanatanterahana izany. Naterina eny amin’ny BNGRC avokoa ireo fanampiana milanja 6t mahery ka ny tomponandraikitra ao no hitsinjara azy ho an’ireo olona mbola marefo […]
Taratry ny kanto
Havoaka rahampitso ny boky « Le régime de transition à Madagascar de 1972 à 1975 ». Niarahan’i Lahiniriko Denis Alexandre sy Rasoloarison Lalasoa Jeannot nanoratra izy ity, hampahafantarina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, amin’ny 10 ora maraina. Samy mpahay tantara ny mpanoratra, izay nandalina ny fiainam-pirenena tamin’ny vanim-potoana maro nolalovana, indrindra ireo nafampana. […]
Haino aman-jery: feno 30 taona ny Radio Don Bosco
Manamarika ny faha-30 taona nijoroany ny Radio Don Bosco amin’ity taona ity. Nambaran’ny tale mitantana izany, ny mompera Randriamiandrinarivo Franck, fa mifototra amin’ny fotom-pampianarana katolika sy ny fitoriana ny evanjely ny onjam-peo. « Manabe mpihaino, indrindra ny tanora mba ho olom-banona sy mendrika», hoy izy, ny herinandro lasa teo, teny Ivato. […]




