Mpifaninana 100 no tafakatra tamin’ny dingana faharoa an’ilay fifaninanana « Fanilo Voice 2026 ». Hiatrika ny ampahefa-dalana izy ireo. Niditra tamin’ny dingana faharoa. Taorian’ny dingana fifanitsanana notanterahina ny 13 sy 14 jona teo, mpifaninana 100 tamin’ireo 210 nisoratra anarana no tafakatra tamin’ny dingana faharoa tamin’ilay fifaninanana “Fanilo Voice 2026”, notanterahina ny faran’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fantina sy fintina
Mila atao am-pahamatorana ny fikaonandoham-pirenena mba tsy hiverenan’ny krizy, araka ny fanambaran’ny FFKM, omaly. Nambaran’izy ireo fa tanjona ny fanavaozana ifotony ka tokony hatao am-pahamatorana sy am-pitandremana izany. Nankahery ny FFKM ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’ny fanabeazana ara-panahy sy fitaizana ny mpino. Nisaorany koa ny fitarihana ny fikaonandoha […]
Masina…masina
Nandeha aloha izay ny fotoam-pivavahana. Samy niaiky ny rehetra fa ao amin’Andriamanitra aloha ny zava-drehetra. Vita izay, hiditra an-tsehatra ny maha olombelona. Efa namoaka tetiandro ny raiamandreny am-panahy. Herintaona be izao vao ho vita izany ka mifanandrify amin’ny fahataperan’ny tokony ho fotoam-pitondran’ny filoha lanim-bahoaka, Rajoelina Andry. Efa tapatapaky ny taona […]
MMM – Fikaonandoham-paritra: mitsipaka ny fampizarazarana ny Malagasy
Nitohy tany Sava indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-mianga, ny herinandro teo. Nitondra ny heviny sy ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena izy ireo tamin’izany. « Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana tena izy miaraka amin’ny fizakan-tenan’ ireo Faritra 24 ary tsy azo ekena ny fampizarazarana ny Malagasy. Niezaka ho amin’ny fampiraisam-pirenena ny […]
KMF/Cnoe: “Tokony hangarahara kokoa ny fikaonandoha”
Naneho ny heviny manoloana ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nitodika manokana amin’ny FFKM izy ireo tamin’izany. “Mangataka ny FFKM izahay hisian’ny fangaraharana kokoa ny amin’ny fikaonandoham-pirenena: inona no ketrehina izao, inona ny zava-misy, ho aiza isika, ary fotoana manao ahoana, amin’ny fomba ahoana… ?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha […]




