Auteur/autrice : Adnews

Samy mila Vatsy tsinjo

Manomboka maresaka ny tanàna! Miditra mianatra rahateo ny mpianatra. Miverina amin’ny fomba fiaina mahazatra amin’izay ny sarambabem-bahoaka. Miverina ny fifohazana maraina, ny fanenjehana fiara fitateram-bahoaka, indrindra ny fanaterana sy fakana mpianatra. Soa ihany fa somary voafehy ny fitandroana ny filaminana, mbola tsy miova ny saran-dalana. Ny vidim-piainana efa iarahan’ny rehetra […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana aho”

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny mpikambana amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara. Nohamafisina tamin’ny dinika ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana malagasy. “Ny tenako manokana dia anisan’ny mpitantana tena manaja ny fitsarana, tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana mba hahaleo tena ny fitsarana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny Filankevitra ambony momba […]

TSELATRA

Fasana roa novakian’ny jiolahy tany amin’ny fo­kontany Ampiakarana, kaominina renivohitra, disitrikan’i Soa­vinandriana afakomaly. Nahita ireo fasana efa nisokatra ny mpandalo iray tamin’ny 8 ora maraina ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga nijery ny zava-misy ny polisy avy amin’ny CSP Soanivandriana. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny taolan-dava valo tao anatiny. Efa misokatra ny […]

Famonoana Karana : Voasambotra ireo dimy nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana omaly ireo olona dimy voasambotra, voarohirohy tamin’ny famonoana karana, 67 taona, sy fandrobana tranombarotra tany amin’ny fokontany Manga – Mahajanga, ny 22 aogositra atoandro. Anisan’ny nahavanon-doza, namono na­hafaty io karana tompon’ny tranom-barotra io, ny lehilahy mpitarika posy sady mpitatitra entam-barotra mivezivezy isan’andro eny an-toerana. Mpi­asa ao amin’ilay karana […]

Mpandanja volamena : Tovolahy iray maty voatsatoka antsy

Hita nitsirara tamin’ny arabe, tao an-tampon-tanànan’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, disitrikan’i Mae­va­tanàna, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, ny tovolahy 23 taona, mpandanja volamena. Maty voatsatoka antsy izy raha ny fizahana ny razana. Nisy lehilahy telo nilaza ny handanja volamena taminy tamin’ny fotoana namelarany ny fitaovam-pandanjana volamena. Nitondra antsy teny […]